Fanapahan-kevitra mikasika dosie goavana

Miandry izay hafitsoky ny HCC ireo kandida


  • Alakamisy 12 Oktobra 2023

Nampiantso ireo kandida miisa 13 ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly.

Tahaka ny mahazatra, tsy tonga ny kandida Andry Rajoelina no sady tsy nandefa solontena raha toa ka tonga avokoa ny kandida rehetra ankoatra an’I Andry Raobelina izay nandefa solontena. Rehefa nosokirin’ny mpanao gazety momba ity fihaonana ity moa ny Firaisankinan’ny kandida dia naneho tamin’ny alalan’Atoa Praina Auguste, fa nisy ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Herimanana Razafimahefa izay nilaza fa tratry ny faneriterena ary norahonana ho faty ka tsy maintsy nohazavaina tamin’ny HCC io. Tranga vaovao ihany koa ny mikasika ny kandida Andry Raobelina izay nametraka taratasy any amin’ny HCC mba hanemorana ny fifidianana noho ny antony ara-pahasalamana tsy hahafahany manao fampielezan-kevitra. Ity farany izay naratra teo amin’ny masony vokatry ny herisetra natao tamin’ireo kandida sy ny vahoaka tamin’ny 02 oktobra. Tsy nisy ny zavatra tapaka, fa ho hita eo ny tohiny! Inona indray ny fanapahan-kevitra horaisin’ny HCC mikasika an’ireny? hoy ny Firaisankinan’ny kandida izay naneho fa tao anatin’ny fifanajana ny fihaonana, ka afa-po tamin’ny fifampihaonana sy fifampihainoana, saingy manantena valiny araka ny tokony ho izy. Naverinay fa izahay kandida 11 dia mitady zavatra milamina sy manara-dalàna. Tsy mampaninona anay ny kandida iray na efa manao propagandy aza, izahay tsy mifanenjika amin’izany, fa ny anay dia hoe efa nisy zavatra niova ve ? Mitaky foana izahay ny fanarahan-dalàna, fifidianana tsy mitanila sady eken’ny rehetra, hoy izy ireo nanamafy. Nanipika fa mila fifidianana eken’ny rehetra, kanefa amin’izao dia efa misy mampiasa fitaovam-panjakana ka tokony “disqualifié” na mihintsana io. Tsy misy zavatra milamina, hoy ny Firaisankinan’ny kandida. Samy miandry izay ho tohiny izany ny rehetra eo anatrehan’ny fiakaran’ny maripana politika ankehitriny. Mitana ny sain’ny maro ny fanapahan-kevitra mety horaisin’ny HCC manoloana ny taratasy napetraky ny Filohan’ny Antenimierandoholona naneho ny fahavononana handray ny fahefana mba handaminana ny firenena satria niaiky ny tenany fa tena tandindonin-doza I Madagasikara, ary tena mila fifidianana madio ny rehetra. Tsara anefa ny manamarika sy mampahatsiahy, fa niainga avy tao amin’ny HCC ny fanapahana momba ny fanomezam-pahefana ny governemanta, betsaka ireo fitoriana nataon’ny kandida mikasika ny tsy fanaharan-dalàna tokony ho nampihintsana ny kandida iray izay filoha teo aloha saingy tsy nisy noraisina,… Hiova hevitra ve ny HCC eo anatrehan’ny fivoaran’ny toe-draharaha sa hinia hikipy ao anatin’izao efa fiakaran’ny maripana politika ambony dia ambony izao?

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT