Politique

Fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena Miezaka manome lanja ny vehivavy ny EISA


  • Zoma 18 Novambra 2022

Vovonana iray miezaka manome lanja ny vehivavy Malagasy ny EISA na ny Institut Electoral pour une démocratie durable en Afrique manoloana ireo karazana fanapahan-kevitra raisina eto amin’ny tany sy ny firenena.

Raha tsiahivina tokoa mantsy dia mbola azo lazaina ho ambany ny tahan’ireo vehivavy hita sy mandray anjara eny anivon’ireo andrim-panjakana roa lehibe eto amintsika. Toraka izany koa ny eo anivon’ny governemanta, ny faritra raha tsy lazaina intsony ny eny anivon’ny kaominina sy ny Fokontany, rafitra farany ambany indrindra nefa tena manana ny maha-izy azy tokoa. Manoloana izany dia nanao ezaka ny EISA amin’ny alalan’ilay tetikasa Africa Democracy Strengthening IV na ADS IV. Nisy ny fiofanana nomeny ireo vehivavy tanora miisa 23 izay navoaka tamim-pomba ofisialy tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly. Ho afaka hiasa amina sehatra maro izy 23 mirahavavy mianaka ireto. Anisan’ireny ny resaka fiovaovan’ny toetr’andro, ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fitsarana marina sy tsy mitanila ho an’ny olon-drehetra…Naharitra efa-bolana moa izy ireo ny fiofanana natrehin’izy ireo ka anisan’ny tanjona ny hahafahany maneho hevitra sy mandray fanapahan-kevitra amin’ireo karazana sehatra mety hisy azy indrindra fa ny resaka fiaraha-miasa….mba hampirindra ny fiaraha-monina.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo vehivavy mpianatra navoaka omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT