Fanaovana tanalahy politika

Omaly nitarika hetsika fotsy dia anio hanohana volomboasary…


  • Alakamisy 22 Febroary 2024

Vaovao politika tany amin’ny Faritra Fandriana tamin’ity herinandro ity

ny fanolorana an’Atoa Soloniaina Rasamoelina Andriamanampisoa Tale Jeneralin’ny Jirama teo aloha ary Minisitry ny angovo sy akoran’afo talohan’izao ho kandida ho depiote. Nisy ny fanangonana ireo ben’ny tanàna, ary hatramin’ireo hafa antoko, vao avy tao anatin’ny Hetsika Fotsy volana vitsy lasa, ben’ny tanàna lany tamin’ny Antoko na loko hafa tsy miara-dia amin’ny fitondrana, dia nivadika ho volomboasary tampoka. Tratry ny fanamarihana sy ny tsikera mivaivay ohatra ny ben’ny tanànan’i Fandriana sy ny ben’ny tanànan’Imito izay lasa nikasikety sy nisalotra ny lokom-boasary. Somary mahagaga ihany ary tsy hoy ny fanamarihana satria misy ny vao avy nitari-tolona nanao ny hetsika fotsy nanatsikafonana ny tsy mety ataon’ny Fanjakana, ny tsy fahambiazana, ny fahalotoan’ny fifidianana,… dia nitsimbambadika ho lasa olon’ny fitondrana tampoka teo. Anisan’ny tsikera nivaivay nataon’ireo ben’ny tanàna sasany vao volana vitsy lasa ohatra ny hoe : « Efa vita ve ny RN41 ? Mijoro isika manohitra ny fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao ? Tsia tsy ekentsika izany ! Miantso ny vahoaka rehetra aty amin’ny Faritra Amoron’i Mania mba hiaro ny olona mijoro amin’ny fahamarinana ». Tena nafana fo tamin’ny fitarihan-tolona, ka nilaza fa tolom-panafahana sy tolom-panavotana ny vahoaka Malagasy ity,… tsy vazivazy intsony ity fa tena ady ». Tampoka teo anefa, dia lasa Andriamanitra kely indray ilay mpitondra nolazaina tsy mahomby sy mpanjanan-tany amin’ny endriny vaovao. Marina fa mety miovaova araka ny rivotra mitsoaka ny politika raha ny eto Madagasikara, kanefa tena henjana ihany ilay fomba fanaovana politika tanalahy, na koa tsy mitaingina soavaly maty. Tratry ny fandrahonana noho ny mety ho aferam-pitantanana teo anivon’ny kaominina ve ka niofo tampoka ho volomboasary mba tsy ho tratry ny fanenjehana aoriana ? Tsy tranga iray rahateo no tahaka izany fa maromaro. Ireo ben’ny tanàna dia kotiana hiova loko, ka rehefa tsy mandeha mora dia hitadiavana hirika hamelezana azy. Misy ny matahotra noho ny mety ho tsy fahadiovam-pitantana dia miova loko satria matahotra ny hogadraina ohatra. Misy ihany koa anefa no mety tonga amin’ilay hoe : any aloha izao no misy ny vola ka aloha aleo manaraka volon-tany fa hikipiana ny foto-kevitra ara-politika ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT