Politique

Fanaovana politika sy fitantanana firenena Hanomanana ireo ho mpandimby ny « AVI Leadership Academy »


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Notanterahina ny zoma lasa teo teny amin’ny Astauria Antanimena ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « AVI Leadership Academy », izay sampana iray ao anatin’ny Tanoran’ny Antoko AVI.

Natao izao sehatra fiofanana izao hoy ny Filohan’ny Antoko Norbert Lala Ratsirahonana mba hamolavolana ireo tanora izay te hisehatra eo amin’ny politika, ary indrindra koa hanomanana ireo mpandimby na ny « relève » ho an’ny Antoko satria dia efa 25 taona ankehitriny ny antoko ary efa fitondrana maro nifandimby no nolalovany, fa mbola mijoro hatrany amin’ny foto-keviny izy ireo. Zava-dehibe tokoa ny sehetra ahafahana manofana tanora toy izao, hoy ihany ny Filoha, satria dia tanora hitondra sy hitarika ny fampandrosoana an’i Madagasikara no ampitomboina ny fahalalan’izy ireo, tanjona ihany koa ny faharetan’ny Antoko AVI ahafahany mitondra ny anjara biriky ho fampandrosoana any Madagasikara. Notsahiavina moa nandritra ity lanonana fanokafana ity ireo foto-kevitra hijoron’ny Antoko dia ny : Tany tan-dalàna , ny fanajana ny zon’olombelona sy ny demokrasia ary ny Fanjakana tsara tantana. Mbola Hisy koa moa ireo hetsika maromaro ho ataon’ny Antoko hatramin’ny farany taona any amin’ny Faritra, toy ny any Toamasina, Fianarantsoa sy Toliara araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT