Fanaovana fitaovana

politika ny mpitandro filaminana


  • Talata 14 Novambra 2023

Mihamaro ny fanairana avy amin’ireo manamboninahitra

Noho ireo ratra vokatry ny tifitra lakrimozenina mahazo ireo vahoaka, dia miangavy anao rahalahy atsaharo ny herisetra atao amin’ny mpiray tanindrazana. Tsy fahavalo ireo na mpifanandrina akory, fa vahoaka tsotra te haneho ny heviny. Olana politika io ka vahaolana politika no mifanandrify amin’izany. Mandry ve ny sainao ? Mandry ve ny feon’ny fieritreretanao mahita zaza amam-behivavy any amin’ny hopitaly, ny any amin’ny sekoly sempotra iharan’ny toraka lakrimozenina isan-karazany ? Manameloka tanteraka ireo izay nahavanon-doza ka nisian’ny rano raraka izahay andiany faha-13 aty Toliara, izay iray andiany taminao tany amin’ny Akademia», hoy ny fanambarana niraisan’ny Kolonely HR, Kolonely Rakotomalala Désiré, ary ny kolonely Rabearilaza miantefa amin’ny Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard ny faran’ny herinandro teo. « Arme d’Elite» no nampalaza ny zandarimaria, izany hoe manana ny maha izy azy, saingy lasa tsy asian’ny olona hasiny noho ianareo izay mibaiko azy, mitondra azy amin’ny tsy tokony ho izy, ataonareo fitaovana politika, ka malahelo izahay satria tato no nandanianay ny fahatanoranay, hoy ny Kolonely Rabe Jules nanamafy izany. Maro, hoy izy, ireo zandry mbola hilomano amin’io zandary io, ary ireo mitondra ny fibaikoana dia tsy maharitra 5 taona dia handeha hisotro ronono, misy ny efa misotro ronono toa ny Jeneraly Ravalomanana, ka aza simbaina ny zandarimaria, aza simbaina ny zandry madinika, eritrereto ny ho avin’ny zandarimaria. Nampahatsiahy ny tenany fa rava ny FRS vao nampidirina politika, ka tsy mety ny fanaovana politika ny zandarimaria, hoy hatrany ny Kolonely Rabe Jules. Efa nisy ihany koa raha tsiahivina ny fanairana nataon’ny ombimangan’ny andiany faha-16 fa ny olana politika dia tokony hovahana amin’ny politika, ka tsy tokony hanaiky hatao fitaovana ny tafika. Voalaza fa tsy fankasitrahana ny baiko hamoretana sy hanaovana herisetra ihany koa no nanesorana ny Kaomandin’ny ZDS Ikopa, raha ny vaovao sy fanehoan-kevitra maro niely, izay tsy nisy fandisoana. Avy amin’ny vahoaka ny tafika ary tsy maintsy miverina amin’ny vahoaka. Efa betsaka no tonga saina eo anatrehan’ny fampiasana ny mpitandro ny filaminana ho fitaovan’ny mpanao politika. Tsy tongatonga ho azy ny fanambarana tahaka itony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT