Fanaovana fampielezan-kevitra

Atao anatin’ny fanajana lalàna fa tsy entina bontolo


  • Alarobia 20 Novambra 2024

Manamafy ny avy ao amin’ny birao politikan’ny antoko Tia Tanindrazana, fa nametraka taratasy fampahafantarana

eny amin’ny prefektioran’Antananarivo ny hetsika nataony niainga teo amin’ny foibe toerany Soanierana namonjy an’Anosy sy manoloana ny kianja Barea ny izy ireo, izay nanolotra ny kandida Tahina Razafinjoelina. Natao moa izany mba ialana amin’ny mety ho fifandisoan-kevitra mandritra izao fampielezan-kevitra izao ; manara-maso akaiky rahateo ireo mpitandro filaminana sy mpikarakara ny fifidianana ka tsy mety loatra ho an’ny kandida ny manao adalana. Efa tahaka izany foana isaky ny fampielezan-kevitra fa tsy hoe vao izao izany. Mifandraika amin’izay moa dia misy ireo milaza azy fa mpanohitra, manohana kandida iray no nahazo fampitandremana avy amin’ny prefe noho izy ireo nivoaka ny toerana voatondro fa hanombohany ny fampielezan-kevitra ary nitarika olona namakivaky ny kianjan’ny 13 mey. Voarara izany, hoy ny prefe, satria efa nambara fa faritra mena io, tsy mety itarihana olona hanao fihetsiketsehana politika indrindra fa amina vanim-potoana tahaka izao. Etsy ankilan’izay mila fitandremana be ihany koa ny olom-pirenenna manoloana ny mety ho filalaovana ny maha olon’ny fo ny malagasy ka ilazana hoe : io fa henjehina izahay, dia mody manao mampalahelo eo dia hoehahazo ny fon’ny mpifidy. Raha fampielezan-kevitra marina ny atao dia hevitra sy Vina no zaraina amin’ny olom-pirenena fa tsy ampiasana paika efa somary nilaozan’ny toetr’andro ihany ary efa hita ny voka-dratsiny teto amin’ny firenena. Rehefa misy tokoa ny fisamborana, dia ireo olon-tsotra no lasibatra fa ny mpitarika politika milamindamina. Aoka samy ho mailo ihany e.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT