Politique

Fanantenana FAFI 5 “Hanampy hividy fitaovam-pianarana mora”


  • Zoma 02 Septambra 2022

Amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao dia misokatra indray ny tsena Fanantenanana eny Ambohimirary ary mivarotra fitaovam-pianarana mirary araka ny fahefa-mividin’ny ray aman-dreny eny amin’ny boriboritany fahadimy

izay tarihin’i Hanitriniala Raholdina, filohan’ny fikambanana mpanao asa soa Fanantenana FAFI 5, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Afaka mividy fitaovam-pianarana mora eny Ambohimirary avokoa na ny sahirana na ny tsy sahirana, hoy ity filohan’ny FAFI 5 ity, rehefa mitondra karinem-pokontana manamarina fa eny amin’ny boriborintany fahadimy no misy azy. Ahitana kahie, boky, kitapo, fitaovam-pianarana samihafa amin’ny vidiny mirary araka ny fahefa-mividin’ny tsirairay ny tsena, hoy izy. Ireo ray aman-dreny tena sahirana mahantra moa dia efa notolorana fanomezana fitaovam-pianarana maimaimpoana mba hahafahany mampianatra ny zanany araka ilay filamatry ny Fanantenanana FAFI 5 hoe miaro sy manasoa vahoaka ». Efa an-taonany maro no nisian’ny tsena ary efa zatra miandry ny fisokafan’ny tsena ireo ray aman-dreny vao mividy ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra. Tsy ny manampy amin’ny fidiran’ny mpianatra ihany no sahanin’ny fikambanana fa manala fahasahiranan’ny ray aman-drenin’ny boriborintany fahadimy hatrany toy ny fanaovana didim-poitra ho an’ny ankizy miisa amam-jatony izay tsy vao ela akory satria filamatra ny hoe “Aza manao kely tsy mba mamindro!”, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT