Politique

Fananganana ny tetezamita tena izy Havaozina avokoa ny rafitra ary hatsangana alohan'ny 17 novambra


  • Zoma 14 Oktobra 2011

Ny tantara dia mbola mitohy ! Izay no mahadika ny fisehon-javatra ankehitriny, manodidina ny dinika hamaritana ny lasitra amin’ny fampiharana ny sori-dalana vita sonia teny amin’ny Le Paon d’Or ny 17 septambra 2011 teo.

 Nigadona omaly eto Madagasikara ny minisitra afrikanina tatsimo misahana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana ivelany, Marius Fransman, mitarika ny iraky ny Troika handamina ny raharaha Madagasikara. Efa nialoha lalana azy ry zareo miaramila ao amin’ny vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny SADC, tarihin’ny jeneraly Nyembe Jeremiah Mduduzi, izay efa nifampidinika naharitra tamin’ireo tomponandraikitry ny filaminana malagasy tao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny ny tontolo andron’ny alarobia 12 oktobra teo. Taorian’ny fahatongavany dia nihaona avy hatrany tamin’ireo solontenan’ireo vondrona politika nanao sonia ny sori-dalana ny minisitra Fransman. Tao amin’ny hotely Colbert Antaninarenina no ambohipihaonana tamin’ity indray mitoraka ity raha teny amin’ny Le Paon d’Or izany ny volana septambra. Roa no anton-diany eto, araka ny fanazavany teo am-pahatongavana teny Ivato omaly tamin’ny fiandohan’ny tolakandro. Andaniny, ny hifandinika amin’ireo mpiantsehatra politika gasy momba ny fampiharana io sori-dalana io hirosoana amin’ny fametrahana ireo rafitra samihafa hampandehanana ny tetezamita, ary ankilany ny hanokatra ny birao fifandraisan’ny SADC eto Madagasikara.

Mikasika itsy voalohany dia natomboka tamin’ny fizarana entimody mirakitra ny volavolana tetiandro nataon’ny Troika, nandritra ny fivoriany tamin’ny 29 septambra 2011, fametrahana ireo andrimpanjakan’ny tetezamita, tena izy, ateraky ny fampiharana ny tondrozotra. Araka izany dia efa tao ity entimody ity, nandritra ny fampihaonana ny solontenan’ireo vondrona politika malagasy folo tany Pretoria farany teo, saingy tsy nampahafantarin’ny minisitra Fransman azy ireo, mba hialana amin’ny fandikana vilana sy ny resaba, fa nandrasany ho taty Madagasikara vao izao nampahafantarina ny rehetra izao. Mazava ao anatin’ilay entimody fa dia hovitaina hatramin’ny 17 novambra 2011 ny fametrahana ny andrimpanjakana rehetra toy ny Kongresy, Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana, ka fanavaozan-drafitra sy mpikambana mihitsy no atao anatin’izany fa tsy fanitarana tsotra araka izay novoizin’ireo mpomba ny FAT hatramin’izay.

Asa na kisendrasendra na tena nofidiana io datin’ny 17 novambra 2011 io, izay andro alakamisy amin’ity, fa mitsingerina amin’io ny taona nanaovana ilay fitsapan-kevi-bahoaka nokarakarain’ny FAT niteraka resaka tsy teto an-toerana ihany fa eran’izao tontolo izao noho ilay izy ratsy karakara. Ankoatra izay dia mialoha ny 01 novambra 2011 no tokony hamantarana ilay praiminisitry ny marimaritra iraisana. Hangoron’entana avy hatrany ve sa hiandry izay tapa-bolana ho avy izay ny governemanta Vital vao hiala ? Raha tsy misy indray koa ny mitsivalam-pandry dia governemanta vaovao sy parlemanta vaovao no handinika sy handany ny tetibolam-panjakana taona 2012 eo. Hotsaraina eto sahady koa ny fanajana ny fanambarana niarahana izay niendrika fifanarahana nifanaovan’ny foloalindahy Malagasy sy ny avy amin’ny vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny SADC ny alarobia teo. Mikasika ny fifidianana kosa indray dia hovitaina mialoha ny volana novambra 2012. Entimody io, nozaraina tamin’ireo vondrona politika folo nanao sonia ny sori-dalana, tsy ao anatiny ny ankolafy Ratsiraka. Miandry izay tolo-kevitr’ireo vondrona politika ireo ny iraky ny Troika, ka tsy hiandry ela izany fa dia anio maraina ihany dia efa hifamotoana etsy amin’ny Colbert Antaninarenina ny rehetra mikasika izay, handaminana azy.


Nangonin’i Jean D.


Sary : Teo am-piandrasana ny fizarana entimody tao amin’ny Colbert omaly hariva (sary : Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT