Politique

Fananganana governemanta Nitarina ho anio no farafandraisana ireo tolotr’anarana


  • Alarobia 09 Novambra 2011

Raha nambara fa nifarana ny antoandron’ny zoma 04 novambra teo ny fandraisana ireo anarana kandida minisitra avy amin’ireo vondrona mpanao sonia ny sori-dalana dia fantatra fa amin’ity anio alarobia 09 novambra ity indray vao hifarana.

 Ry zareo teo anivon’ny Troika-SADC no nanao fanamarihana mba tsy hirotorotoana amin’io fananganana governemanta io, mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara. Manana hatramin’ny 17 novambra rahateo hanatanterahana izany. Nisy koa ny fihaonan’ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo miasa sy monina eto Madagasikara sady mitarika vonjimaika ny birao fifandraisan’ny SADC, Monaisa Mogheti, tamin’ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina sy ny praiminisitra Beriziky niresahana sy nanamafisana izany omaly, araka ny loharanom-baovao. Araka izany dia andrasana amin’ity anio ity ny fahatapahan-kevitry ny ankolafy Ravalomanana, ankolafy Ratsiraka ary ny Monima, raha hiditra anatin’io dingana io na tsia. Raha raikitra dia hotohizan’ny praiminisitra Omer Beriziky amin’ny kandidan’izy ireo, ny alakamisy sy zoma fifampiresahana hifantenana izay ho minisitra handrafitra ny governemantan’ny firaisam-pirenena, raha efa nosantarina tamin’ny kandidan’ireo vondrona politika efa nandroso ny azy teny Mahazoarivo izany omaly.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT