Hanomboka anio alakamisy 3 novambra ny fakan-kevitra ho amin’ny fananganana ilay governemantan’ny firaisam-pirenena tarihan’ny praiminisitra Omer Beriziky.
Hanao totoafo indray izany ny fihaonan’ny mpanao politika etsy sy eroa. Manana hatramin’ny 17 novambra ny praiminisitra hananganana io governemanta io raha ny voalazan’ny tondrozotra. Taorian’ny nanendrena an’i Omer Beriziky dia efa samy niomana ireo vondrona politika mankasitraka azy fa hanolotra anarana minisitra. Samy mbola manana ny fomba fijeriny ny zavatra tokony hatao aloha, ary tsy mbola misy ny fanazavana fanampiny, na avy amin’ny fitondrana tetezamita, na avy amin’ny mpanelanelana ny amin’ny fizarana ireo ministera. Mitovy daholo ve ny isana minisitra azon’ny vondrona politika tsirairay avy nanao sonia ny tondrozotra, sa arakaraka ny habe na ny tanjaky ny antoko no hizarana ny toerana ? Misy ihany mantsy ireo antoko politika milaza fa misy ny antoko lehibe sy kely, ny vao niforona nandritra ny krizy sy ny efa niatrika ny fifidianana rehetra teto tato anatin’ny 10 taona, koa noho izany tsy tokony hampitoviana mihitsy ny toerana omena izany antoko izany ao anatin’ny rafitra tetezamita ; misy kosa ireo manitrikitrika fa tsy tokony hasiana fanavakavahana izany fa rehefa samy antoko mikatsaka ny vahaolana hamahana ny krizy dia mitovy, ka aleo atao zara mira isaky ny vondrona politika nanasonia ny sori-dalana ny toerana azo.
Ao koa ireo mpanao politika manao be vazivazy ka nilaza fa rehefa tsy mety hita indray ny marimaritra iraisana amin’ny fizarana ny ministera dia aleo atao antsapaka dia izay mipoitra eo no tsy maintsy eken’ny rehetra. Mbola sarotra ny asa miandry ny praiminisitra Omer Beriziky amin’ity fananganana governemanta ity satria ny mpanohitra ohatra dia tsy mankato azy, ary efa mihetsiketsika any Afrika Atsimo any, etsy ankilan’izay dia efa mivonona amin’ny paikady sy ny tetika ireo mpikarama an’ady politika te hahazo seza fotsiny dia higalabona amin’ny tombotsoa manokana rehefa avy eo. Raha ny tena marina ihany koa dia tsy dia manana fahafahana izany ity praiminisitra ity satria, efa nisy sahady ohatra ny toromarika nomen’ireo tandapa azy ny amin’ny hoe tsy mahazo miresaka manokana amin’ny ankolafy Ravalomanana sy tsy miresaka mihitsy ilay andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana momba ny fodian’ireo sesitany.
Ary raha ny voalazan’ny sori-dalana no jerena dia ny filohan’ny FAT no manendry ireo minisitra avy amin’ny tolo-kevitry ny praiminisitra noraisina avy amin’ny fihaonana sy fifampidinihana tamin’ireo vondrona politika ; ary voamarika tsara fa atao mifandanja tsara ny fizarana ny toerana eo amin’ireo vondrona politika nanasonia ny sori-dalana. Ka ahoana izany moa ny ho fipetrany marina : tsy hahazo ministera ve izany, ohatra ny ankolafy Ratsiraka satria tsy nanasonia ? Tsy manaiky an’i Omer Beriziky ny ankolafy Ravalomanana, dia ahoana : tsy hanolotra kandida minisitra ve izany ? Ary ny ankolafy Zafy handeha irery hanohana hatramin’ny farany ny praiminisitra ka hiara-hiasa aminy ve izany ka hiala ao amin’ny Ankolafy 3 ? Ary ahoana koa ny momba ireo minisitra teo aloha izay olon’i Andry Rajoelina ny ankamaroany. Mbola henjana ny lalao ary hotsarain’ny zavatra ho ataony Atoa Beriziky raha tena olon’ny fampiraisam-pirenena marina, na ho saribakoly fotsiny araka ny feo mandeha !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.