Politique

Fananganana governemanta Kely ny herizika ho an’i Beriziky


  • Talata 08 Novambra 2011

Hanomboka anio ny fandraisan’ny praiminisitra Omer Beriziky ireo kandida minisitra tsirairay naroson’ireo vondrona politika nanao sonia ny sori-dalana, hitsongana ireo izay handrafitra ny governemanta tarihiny.

 Nifarana tamin’ny zoma 04 novambra, tsiahivina ihany, ny fandraisana io lisitra kandida io. Ny fantatra hatreto dia ireo vondrona politka efa anaty fitondrana amin’izao fotoana izao ihany no nanolotra kandida. Na ny Monima, na ny Ankolafy Ravalomanana, izay samy mpanohitra izao fitondrana izao, dia samy tsy nisy nandefa lisitra teny Mahazoarivo, na samy mpanao sonia ny sori-dalana aza. Ny ankolafy Ratsiraka moa sady tsy nanao sonia ny sori-dalana ka tsy mahagaga ny tsy nandefasany lisitra minisitra. Ny nanaitra, hatry ny omaly, tsy mbola nandroso ny azy koa ny ankolafy Zafy Albert na dia avy amin’ity ankolafy ity aza no nipoiran’ity praiminisitra Omer Beriziky ity. Ny vondron’ireo mpitady seza ihany izany hatreto no nandefa lisitra hisafidianana izay ho minisitra handrafitra ny governemantan’i Beriziky. Koa asa na governemanta inona no ho teraka ao anatin’izany ? Fa raha governemantan’ny firaisam-pirenena no tanjona dia kely ny herizika ho an’i Beriziky !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT