Politique

Fananan’ny CENI nentina nody Nogiazana ireo fiara 9 sy moto 11


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Fiara tsy mataho-dalana miisa 9 sy moto 11 no nalaina teo am-pelatanan'ny mpiasan'ny CENI teo aloha ary

nogiazana taorian’ny fanadihadiana lalina nataon'ny Birao mahaleo tena miady amin'ny kolikoly (Bianco) momba izany. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafahana nanamarina fa tsy namerina ireo fitaovana ireo ny mpiasan'ny CENI teo aloha taorian'ny fahataperan'ny fe-potoam-piasany, hoy ny tatitra. Voalaza fa efa nisy ny fampitandremana nataon'ny vadin-tany sy taratasy fampahafantarana ary fiantsoana sy fakana am-bavany. Voakasik'izany ny filohan'ny CENI teo aloha sy ny filoha lefitra 3, ary mpampaka-teny 2 sy mpanolotsaina 3. Nandalo teo am-pelatanan'ny Fitsarana miady amin'ny kolikoly (PAC) ny raharaha omaly 19 septambra 2023. Natolotra ny Antokon-drajaraha misahana ny fakana fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna na ny ARAI noho izany ny fanapahan-kevitry ny PAC momba ny fanagiazana ireto fitaovana ireto, raha ny fanamarinana. Fiara nampiasan’ireo tompon’andraikitry ny CENI ireo mazava ho azy, fanomezana avy amin’ny firenena vahiny, raha tsiahivina. Vao ny 31 teo no nampahafantatra ny Firenena Japoney, fa nanambara fa hanolotra 4.500.000 .000 Ariary, izay natokana hividianana fiara tsy mataho-dalana miisa 10 sy moto cross 148 hampiasaina eo anivon’ny CENI foibe sy ireo rantsamangaikany indray.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT