Manao fanaparam-pahefana “avo loatra” ny tompon’andraiki-panabeazana iray ao Andapa, raha ny fanambaran’ny solontenam-pokonolona tonga nitatitra ny vaovao teto an-drenivohitra omaly.
Ny anaran’ny antoko politikan’ny fitondram-panjakana ankehitriny, izany hoe ny HVM, no nambaran’ity mpitatitra ity fa entin’ilay tompon’andraiki-panabeazana maka sy mibodo tanin’olona. Lehilahy lehibe 1 efa nipetraka tamina tany 1 nandritry ny 10 taona mahery, hoy hatrany izy, izao no noroahiny niala tamin’ny fonenany ny 21 martsa teo . nitondra taratasy fanilihana na “Mandat d’expulsion” mametra ny tokony hialan’ilay olona eo afaka 3 volana ity tomponandraiki-panabeazana ity, hoy izy, saingy tsy voamarina fa avy amin’ny tribonaly na sampan-draharaha miadidy ny fananantany akory anefa ilay taratasy. Mampitaraina ireo fokonolona any an-toerana moa ny zava-misy, hoy hatrany ny fanazavana, satria izay manam-bola afaka manadio ny tenany aty amin’ny fiadidiana ny repoblika ihany no manjaka ao Andapa ao amin’izao fotoana izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.