Any afrika atsimo, indray no atao ny fanotàna ny bileta tokana sy ny taratasim-pifidianana rehetra amin’ny
fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna hotanterahana ny 11 desambra 2024 ho avy izao. Natao tolo-botsotra tamina orinasa afrikanina tatsimo mitondra ny anarana hoe Renform ny asa. Voalaza fa efa niara-niasa tamin’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) nanomboka ny taona 2018 ity orinasa ity. Raha ny antony dia satria hoe tsy hahavita ara-potoana ny fanotana ireo taratasim-pifidianana ireo ny trano printy misy eto Madagasikara. Voalaza fa hoe efa nisy fanadihadiana natao momba izany, ka asa moa hoe trano printy iza avy no nanontaniana fa misy milaza fa tsy nadihadiana izany. Tsara ho marihina anefa fa misy efa tena mahavita asa sady tsara kalitao no haingana ny orinasa printy eto Madagasikara. Ary raha ilay fe-potoana indray dia tena mbola manana fotoana malalaka tsara ka tsy tokony hisy hoe mampatahotra tsy voahaja ny fe-potoana. Eo amin’ny resaka fitandroana ny filaminana indray, manana ny ampy tsara amin’izany, ny eto ary ireny efa hita isaky ny mihitsy hetsika ireny ny mpitandro filaminana. Raha ny tena marina dia miala bala ny fanjakana fa tsy te hiteny hoe tsy mahatoky ny malagasy, hoy ny mpandraharaha iray.
RTT
Legende : Ny orinasa Renform atsy afrika atsimo no nahazo ny tsena fanotà ireo bileta tokana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.