Politique

Fanambarana politikan’ny begalona Mampitandrina izay mitady hikitikitika ny Filoha


  • Zoma 23 Desambra 2022

Nisy indray omaly ny fanambarana niraisan’ireo Begalona Lehiben’ny mpitandro filaminana notarihin’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena,

niaraka tamin’ny minisitry ny filaminam-bahoaka, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria fa ao an-damosin’ny Filoha. Nanamafy ny Jeneraly Rakotonirina Richard fa miaro ny safidim-bahoaka sy ny lalàmpanorenana. Nilaza noho izany izy ireo fa ny Filoha Rajoelina no nosafidian’ny vahoaka ka manana tamberin’andraikitra, aorian’ny Filoha ny foloalindahy sy ny mpitandro filaminana manontolo amin’ny maha andrim-panjakana azy, ka handray fepetra amin’izay minia mihoa-pefy. “Fatra-panaja ny lalàmpanorenana sy ny safidim-bahoaka ny Foloalindahy sy ny mpitandro filaminana; manaja ny safidim-bahoaka ka iza no safidim-bahoaka tamin’ny fifidianana? Ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina no nofidian’ny vahoaka, ary izy no lehibe faran-tampon’ny foloalindahy, ka izahay rehetra izao dia miaro ny safidim-bahoaka satria olona avy any amin’ny vahoaka ny Filohan’ny Repoblika”, hoy ny Jeneraly Rakotonirina Richard. Nambarany fa manana tamberin’andraikitra sy andraikitra feno hiaro ny filohan’ny Repoblika izy ireo, ka izao mpitandro ny filaminana rehetra izao, hoy izy, dia ao ambadiky ny Filohan’ny Repoblika manampy azy amin’ny asa andavanandro hitondrana ny fampivoarana an’I Madagasikara amin’ny lafiny samihafa. Nanamafy noho izany izy ireo tao anatin’ny fanambarana fa tsy misy fanakorontanana, ary tsy ekena ny fanakorontanana, tahaka ny miseho any Afrika, ka handraisany fepetra izay mitetika hanakorontana. Sesilany ny fanambarana politika nataon’ireo Lehiben’ny mpitandro filaminana tato ho ato, izay midika fa hafahafa ny rivotra politika. Nilaza moa ny Minisitry ny fiarovana sady minisitry ny raharaham-bahiny, fa efa ao anatin’ny fandrosoana I Madagasikara, ka tsy tokony hokorontanina intsony. Mifanome toky aloha izany ireo begalona fa tsy hanary ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina eo anatrehan’ny mety ho fanozongozonana azy,… Miantehatra sy miandrandra azy ireo ny Filoha! Fa mba manao ahoana kosa ny vahoaka? Tena mbola resy lahatra ve eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny: ara-toekarena, sosialy, vidim-piainana, tsy fandriampahalemana,…? Hafana ny sary politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana ka asa izay ho fipetrany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT