Niandry ny krismasy nahaterahan’ny Mpamonjy ny minisitra isany Rakotovao Rivo,
misahana ny fanatanterahana ireo tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tanàna ary ny fampitaovana sy Beboarimisa Ravala minisitry ny tontolo iainana, ekôlôjia, ranomasina ary ny ala vao niroso nanao fanambaram-pananana teo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Tsy haitraitra na fombafomba fotsiny ihany fa lalàna no manery ireo olom-panjakana ambony hanao fanambaram-pananana ary havaozina isan-taona. Fa naninona no niandry faran’ny taona izy ireo vao nanao, nefa milokaloka ny tany tan-dalàna sy miady amin’ny kolikoly mangarahara amin’ny fitantanana izao fitondrana izao ? Fifanandrifian-javatra ihany koa ve sa misy ifamatorany ny nihazakazahan’ny minisitra Beboarimisa Ralava nanao fanambaram-pananana taorian’ny nahatratraran’ny ladoany kaontenera niisa 12 nisy hazo voamboana sy boaderôzy tratra tao amin’ny seranan-tsambon’i Toliara, tamin’ny herinandro lasa, saika haondrana any Chine araka ny fanomezan-dalana nivoaka tao amin’ny minisitera tantanany. Tranga izay mahabe resaka sy tsikera, nefa dia mangina ny mpitondra manoloana izany. Hifarana ihany ity ny taona, adim-pamantaranandro sisa, nefa mbola misy minisitra efatra amin’ireo 31 mandrafitra ny governemanta tsy nanao fanambaram-pananana dia ny minisitry ny fambolena Roland Ravatomanga, ny minisitry ny fiompiana Ramparany Anthèlme, ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka ary ny minisitry ny serasera sy ny filazam-baovao ary ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana Andrianjato Razafindambo Vonison.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.