Fanamarihana ny fetin’ny Repoblika faha-4

> Sady fampielezan-kevitry ny Prezidansa


  • Alarobia 11 Desambra 2013

Toy ny isan-taona, hatramin’ny 2011 dia andro tsy fiasana ho an’ny fitondrana tetezamita ny datin’ny 11 desambra izay voalaza fa fankalazana ny nijoroan’ny Rapoblika faha-4, hono.

Maha be resaka ny olona ity fankalazana ity satria ny fitondrana tetezamita no mankalaza ny Rapoblika faha-4 kanefa tsy mbola misy rafitra voafidy ara-demokratika akory eto Madagasikara, ka mampihomehy ilay izy. Toy ny isan-taona anefa dia saika arahina fety be ity fankalazana ity ho an’ireo renivohi-paritany teo aloha ka mandefa mpanakanto malaza ny fiadidiana ny Tetezamita miaraka amin’ny afomanga. Ho an’i Vakinankaratra raha ny anio dia i Black Nadia sy i Onja no fantatra fa hanafana izany. Re fa toa sady ho fampielezan-kevitra ho fanohanana ny kandidà depiote miaraka amin’ny Prezidà Andry Rajoelina, Elima Hajarisaona, ao Antsirabe I ny fankalazana ka raha eo anoloan’ny gara no fanaovana ny fankalazana dia nafindra ao amin’ny kianja Karmaly izany noho ny gara tsy azo anaovana hetsika politika.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT