Fanamarihana ny 07 febroary

Mitohy hatrany ny famendrofendroana…


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Tahaka ny isan-taona, nanamarika ny fahatsiarovana ny 7 febroary ny

fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, tamin’ny alalan’ny fanaterana voninkazo tetsy Ambohitsirohatra. Saika tazana teny an-toerana avokoa ireo etamazaoro politikan’ny volomboasary nahitana an’ireo olom-boafidy, olom-boatendry sy ireo fianakavian’ny namoy ny ainy. Isan’ny tsikaritra kosa fa tsy teny an-toerana ny Filohan’ny Antenimierampirenana Rtoa Christine Razanamahasoa. Tahaka izany ihany koa ny Depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy, izay saika tazana foana isan-taona, ary manamarika manokana an’io aza. Tao anatin’io lanonana omaly io moa no nilazan’i Andry Rajoelina fa tsy ho afaka ao an- tsaina ny firefondrefotry ny basy, ny kiakiaka sy ny taraina, ary mirakitra ao am- po ihany koa ny alahelo sy ny tomany noho ny tolona izay natao ho fitiavan- tanindrazana, araka ny filazany azy. « Raha misy ny zavatra tsy tiana hiverina intsony eto amin'ny Firenena dia ny fampiasana fitaovam-piadiana ho entina hamonoana ny olona izay tsy mitovy hevitra aminao. Melohina na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana ny fampiasana fitaovam-piadiana ho entina handavo, hamonoana ny mpiray tanindrazana Malagasy », hoy ny ampahan-kabariny. 15 taona aty aoriana, mby aiza ary ny tohin’ny raharaham-pitsarana ny 07 febroary hahafantarana ny tena meloka sy nikotrika rà mandriaka hampahomby ny tanjona politika ? Tena tolona madio ve sa tetika avo lenta nentina nikotrehana ra mandriaka nandotoana ny mpitondra tamin’izany ? Mbola resaka hafa ny fanafihana faritra mena sy lapam-panjakana, ary sanatria manamaivana ireo aina nafoy fa lesona ho an’ny rehetra ireny, ary andeha hampahatsiahivina kely ny tenin’ny Jenaraly Ravalomanana Richard ny desambra 2020 fony izy mbola sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena nanoloana ny raharaha fitsaram-bahoaka sy korontana tao Imeritsiatosika hoe : « aza manafika tobin’ny mpitandro ny filaminana fa matimaty foana any ianareo ». 15 taona aty aoriana isika fa moa tena nitondra ny firenena tany anatin’ny fivoarana sy fandrosoana ve ny ambara fa revolisonina volomboasary ? Tena tolona madio ho an’ny firenena sy fahafahana tokoa sa tolona nametrahana olona sy andian’olona ho eo amin’ny fitondrana ka nanao izay danin’ny kibony tamin’ny fitantanana mamohehitra ? Misy ve ny fahafahana sy ny demokrasia Fandrosoana sa fihemorana sy filentehan’ny firenena no iainana mandrak’androany ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT