Politique

Fanamafisana ny demokrasia aty Afrika Nivory tany Panama ny antoko MMM


  • Talata 29 Novambra 2022

Teo ambany fitarihan’ny filohan’ny IDC-CDI, Andrés Pastrana, no nanatanterahana ny fivoriana faran’ny komity mpanatanteraky ny IDC-CDI ho an’ity taona 2022 ity, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly.

Izany dia natao tao Panama ny sabotsy 26 novambra 2022 teo ary nandraisan'ireo antoko politika maneran-tany maro anjara. Amin’ny maha mpikambana feno ny antoko politika Malagasy miara-miainga ao amin’ny IDC-CDI, dia nisolo tena ny antoko ny filoha nasionalin’ny MMM, Hajo Andrianainarivelo, sy ny loholona Ndriana Michel Rakotondrainibe , izay voafidy tamin’ny anaran’ny MMM teto Antananarivo. Nandritra ity fivoriana ity dia nisy ny fanaovana jery todika mikasika ny toe-draharaha ara-politika sy ara-toekarena misy maneran-tany ary voaresaka matetika tao anatin’ny fifandimbiasam-pitenenana ireo fepetra tokony ho raisina mba hanamafisana ny demokrasia, indrindra, ho an’ny kaontinanta afrikanina sy amerikanina atsimo. Taorian’io fivorian’ny komity mpanatanteraka io dia nisy ihany koa ny atrikasa natokana ho an’ireo tanora ao amin’ny IDC-CDI, izay nitondra ny lohahevitra hoe “How to engage young people in migration governance” na ny fampandraisan’anjara ny tanora amin’ny fitantanana ny fifindra-monina, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT