Politique

Fanalahidy be noraisina 4 taona lasa Tsy hay izay nohidiany sy novahany


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

4 taona katroka anio moa ny fianianan’ny filoham-pirenena ankehitriny tetsy Mahamasina. Efa noresahana teto omaly iny hoe tsy hay hoe niniana tamin’iza sa niniana tamin’ny inona izany ny filoha Andry Rajoelina tamin’ireny fotoana

ireny satria dia tsy nisy singa navelany namatotra azy tamin’ny teniny mihitsy tetsy Mahamasina tamin’iny 19 janoary 2019 iny? Tsy nisy Baiboly. Tsy nisy loharano na rano novelesina nefa hoe velirano. Hita ho tsy mahagaga, noho izany, ankehitriny, raha toa ny delestazy nolazaina fa ho vahana anaty 3 volana no navadika ho vahana amin’ny 2027 na 2028 any indray ankehitriny. Nolazainy ho vitainy ao anatin’ny 5 taona ny fampandrosoana tsy vitan’ny hafa tao anatin’ny 60 taona nefa izy aza izao mangataka an-kolaka sahady ny hanitatra 5 taona fanampiny indray. Ho an’ireo izay efa nahalala azy hatramin’ny nahazoany fitondrana voalohany tamin’ny tetezamita 2009 moa dia efa mahalala tsara fa efa fanaony io tsy mitana teny nomena io. Nampanantenaina hilatsaka ho 500 Ariary tamin’ireny ny 1 kapoaka amin’ny vary ary 2500 Ariary ny litatry ny menaka saingy tsy nisy. Nolazaina fa ho avy ny tramway na fiara an-dalamby haingam-pandeha saingy mbola miandry an’Ambatobevoka isika hatramin’izao. Etsy ankilany dia feno 4 taona omaly ihany koa ny nifanoloran’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, sy ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ilay fanalahidy be nolazaina fa fanalahidin’I Gasikara. Noraisin’ny filoham-pirenena ankehitriny moa izy iny satria hoe izy izany no tompon’ny “lakile”, hoy ilay hira iray izay nanomboka teo. Nomena azy ilay izy fa hoe izy no mitana ny fanalahidin’I Gasikara. Raha iny aloha dia tena mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona tokoa. Raha tsy ny filoham-pirenena ankehitriny tsy nahita ireny fihetsiketsehana vaovao ireny. Mbola tsy hay anefa hatreto izay nohidiany sy novahan’iny fanalahidy be iny. Namaha ny fahantrana ve? Nanidy ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao na ny fitsabahan’ireo firenena vahiny ny raharaham-pirenena eto ve? Maro ny fanontaniana tiana apetraka ary inoana fa efa hain’ny ankamaroantsika koa ny valiny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT