Zary tanàna maty teny Behoririka sy Tsiazotafo omaly. Nanakatom-baravarana avokoa ny mpivarotra an-jatony tamin’iny toerana iny. Tranga izay tsy dia nampino loatra, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny noely sy faran’ny taona izao.
Teo ny fisian’ny fahamaizana tao amin’ny tranobe Golden, fa nampiahiahy ireo mpivarotra ihany koa ny fisiana andiana “gros bras” dimampolo lahy teo ho eo nihaodihaody, nanao miara-mirona teny an-toerana. Mailo amin’ny mety hisian’ny fanararaotana ireo mpivarotra ka ny fanidiana tsena avy hatrany no vahaolana voalohany noraisin’izy ireo. Efa nisy polisy sy mpiambina sivily niambina teny an-toerana, fa toa nanamarina ny ahiahy amin’ny saika fisian’ny fanararaotana ny firodorodon’ny zandary avy amin’ny “Emmo-Sérutité” tonga. Nahazo fanomezam-baovao ireto mpitandro ny filaminana ireto fa nisy fikononkononana hanao OPS (Opération Sinoa) tamin’iny omaly iny, ary mpandraharaha teratany Malagasy anisan’ny nahazo arava-patana tamin’ny andron’ny tetezamita no tao ambadikan’izany. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia mbola voatonona ho mamatsy vola ireo andiana mpanao fihetsiketsehana nikasa ny hanararaotra ny fitakiana ny famerenana amin’i Madagasikara ireo nosy madinika na “iles éparses” hanakorontanana ihany koa io mpandraharaha io.
Araka ny loharanom-baovao hatrany dia efa arahi-maso akaiky ny fihetsik’izy io amin’izao. Avara-patana tamin’ny tetezamita izy, ary saika nitsabahany avokoa rehefa mety ho lalam-pihariana misy. Voatonona matetika tao anatin’ny raharaha boaderôzy ihany koa izy, saingy tsy voakitika noho izy narovan’ny tandapa tamin’izany. Izay minisitra nikitikitika na nanohintohina azy indray aza no voatsoka tamin’ny toerany.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.