Fanakatonana radio tsy miankina

2 no efa lasibatra, an-dàlana ny an’i Narson Rafidimanana


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Nandefasan'ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina na ny MSK taratasy fakatonana ihany

koa ny radion'i Narson Rafidimanana, kandida depiote avy amin’ny Vovonana Firaisankina ao Antanifotsy, raha ny vaovao avy any an-toerana. Tsy mbola sahy nanakatona satria mila « ordonnance » avy amin'ny Fitsarana ny fanakatonana, raha ny fanamarihana. Atahorana mafy ity depiote am-perin’asa ity, ka tadiavina ihany koa izay fomba hamelezana azy. Nanao fampitandremana ihany koa ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana nandritra ny fidinana ifotony nanao propagandin’i Narson Rafidimanana ny alatsinainy lasa teo mba tsy hanakatonana ity onjam-peon’ny Kandidan’ny Firaisankina ity. Vao mainka nahasosotra ny mpitondra ny fahatongavan’ny vahoaka maro be nanotrona izany, ka antony mety miteraka io fikasana hanakatona radio io. Efa nitadiavana hirika ny saika hanilihana an’i Narson Rafidimanana, efa saika tsy nomena « état 211 bis » na taratasin-ketra, raha tsy nanao rodobe teny amin’ny CENI ireo lohandohany ao amin’ny Firaisankina. Depiote tsy miankina amperin’asa i Narson Vahoaka tamin’ny fandalovan'ny Etamazaoro Firaisankina tao Antanifotsy. Raha ny resaka fanakatonana radio, dia roa no efa lasibatra tao amin’ny anatin’ny tapa-bolana satria nakatona ny Radio RFB FM 103.4 tao Ambatofinandrahana satria namoaka ny fampielezan-kevitry ny kandida Christine Razanamahasoa, kanefa voalaza fa misy radio hafa mpanohana ny fitondrana vao nitsangana na heverina ho tsy ara-dalàna aza ny ara-taratasiny. Vao omaly ihany koa ny mpitantana ny radio Feon’i Fivoarana FM 88.2 ao Imeritsiatosika fa nahazo taratasy fanakatonana avy amin’ny MSK fa akatona fa tsy ara-dalàna. Ny tompon’io radio io izay marihina fa anisan’ireo mpifaninana anatin’ny fifidianana depiote. Fifandrifian-javatra ve ny hoe : ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana no mandeha ny fanakatonana onjam-peo. Mbola tsy nierina akory ny nanamarihana sy nankalazana ny andro maneran-tany mikasika ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny 03 mey lasa teo, dia efa mandeha ny fanakatonana onjam-peo samihafa noho ny hevitra tsy mitovy ara-politika. Adino ve fa fanakatonana haino aman-jery no isan’ny natao fitaovana nanonganam-panjakana tamin’ny 2009?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT