Politique

Fanakantsakanana atao amin-dRajoelina Sao dia sinema fotsiny ?


  • Talata 03 Aprily 2018

Mahalasa saina sy mampieritreritra ny fihetsiky ny mpitondra HVM tarihin-dRajaonarimampianina sy i Andry Rajoelina amin’izao fotoana. Rehefa dinihina sy halalinina mantsy, dia karazan’ny manao sarin’ady ihany. Toa mody mifanenjika sy mifanaratsy, saingy maivana sy tsy misy fiantraikany firy raha ampitahaina amin’ny ankasoparana atao amin’i Marc Ravalomanana.

Nandeha ny sakantsakana natao an-dRajoelina teny amin’ny seranam-piaramanidina tsy navela nankany Mahajanga ny zoma 30 martsa lasa teo, fa tsy dia misy fatiantoka be ho azy izany, ary vao mainka aza mampitombo ny mety ho lazany sy hampifikitra ny mpanohana azy. Tsy mba voakitikitika ny bizina ataon-dRajoelina eto amin’ny firenena hatramin’ny nialany teo. Afaka mihodina ny orinasan-tseraserany, raha toa ka tsy navela hisokatra mandrak’ity ny androany ny orinasa MBS. Mandeha ankalalahana ny orinasa Injet, izay voalaza fa efa hatry ny ela no nahazoany fitaovana tena arifomba hahafahana manonta ireny sary ilaina amin’ny propagandy ireny nanampy ny efa nisy. Etsy an-kilany, potehina amin’ny lafiny rehetra i Marc Ravalomanana. Nakatona ny orinasa AAA-Tiko, izay mamelona olona an’arivony maro, tsy avela hisokatra ny MBS, somparana rehefa mihaona amin’ny vahoaka, hamoronana dosie maloto …  Samy matahotra azy avokoa na ny an-daniny na ny an-kilany amin’ny fifidianana, ary kotrehin’ny HVM fatratra ny vao mainka hampiadiana hatrany an’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, ka ny iray tena potehina ary ny iray karazan’ny hanaovana sinema fotsiny. Hatreto tokoa mantsy dia mbola baraingo ny hoe fa inona no antony tena lehibe nisafidianan’i Andry Rajoelina tampoka an’i Hery Rajaonarimampianina ho kandida notohanany tamin’ny 2013 kanefa efa i Edgar Razafindravahy no lany ara-dalàna sy ara-drafitra nandritra ny kongresin’ny TGV teny Andranomena ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT