Tsy nampihontsona akory ny mpanohana sy mpiara-dia amin’i Rina Andriamandavy VII ny nampidinana baiko sy didy tamin’ny ora farany amin’ny tsy tokony hanatanterahana ilay hetsika fanokafana ny faha-folo taonan’ny Tanora Tiako I Madagasikara.
Mbola maro ireo tsy nahalala io fanafoanana io no tonga teny Mahamasina ny sabotsy teo, izay nandika sahady izany ho sakana nataon’olona sy fahatahorana ny tanjaky ny mpikarakara. Tsy azo lavina izany, satria fantatra fa nirotoroto ireo vondrona maromaro manohana ny FAT nivory mikasika io hetsika io, ny tontolo andron’ny zomà. Raha ny vaovao voaangona mikasika io fivoriana io mantsy dia niady mafy mihitsy ny minisitra iray avy amin’ny elatra Raharinaivo Andrianatoandro sy ny minisitra iray tao amin’ny GMMR mba hanafoanana ity lanonam-panokafana ity. Efa hatrany amin’ny fivoriana nanomanana azy no nisy iraka avy amin’ny fitondrana tetezamita nihaino sy nitsikilo.
Tao ihany koa ny fanambarana izay nataon’ny tanora TIM Raharinaivo tamin’ny haino aman-jery rehetra fa fisolokiana ny fanaovana iny hetsika iny. Mazava, araka izany, fa na ny FAT na ny TIM an-dRaharinaivo dia samy natahotra ny tanjak’ity mpitarika Tanora TIM teo aloha ity. Nafana rahateo ny fikarakarana, indrindra moa fa niampy ireo dokambarotra sy antso maro samihafa nataon’ireo mpikarakara. Nadikan’ireo olona nikasa ny nanoina io antso io ho fandresena sahady ho an’ity minisitra ity sy ireo mpiara-dia aminy izany, ary filatsahana zana-tohatra maromaro mbola sarotra hiverenana ho an’ireo nanao ny sakana indrindra fa ny FAT. Ny nahagaga ireo mpanara-baovao fotsiny dia hay na izy samy mpiray vondrona, na izy samy anaty governemanta dia misy manao kibay an-kelika tokoa, ary tsy menatra ny mamelatra sakana manoloana ny olona hofinganiny. Mbola mamy rahateo ny seza ka hampiharina hatrany ilay «raha ho faty aho, matesa rahavako...»
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.