Azo ambara fa misy hifandraisany amin’ny resaka politika iny raharaha fanafihana ny trano fonenan’ny ray aman-drenin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina iny, hoy ny mpitondra tenin’ny vondrona parlemantera Mapar, ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel, raha ny toerana misy ireo olona voalaza ireo no asian-teny
. Azo eritreretina koa, hoy izy, fa asa fanindriana aloka an’Atoa Andry Rajoelina fotsiny izao iny tranga nisy iny mba hanginany tsy hiteniteny intsony ao anatin’ny tontolo politika malagasy, misy antony matoa niteny tahaka izany ity depiote Mapar ity izay polisy moa ankoatra ny maha olom-boafidy azy. Araka ny fantatra tokoa mantsy dia mikasa ny ho avy eto Madagasikara mba hanao propagandin’ireo kandida loholona atolotry ny Mapar ny filohan’ny tetezamita teo aloha, ato ho ato, ary dia somary nahagaga ihany tokoa hoe mialoha ny hahatongavany indrindra no nitrangan’ity fanafihana ny tranon-dray aman-dreniny teny Andranoro Ambohibao ity, fanafihana izay miavaka amin’ny mahazatra rehetra satria amin’ny 12 ora sy sasany antoandro no tonga ireo jiolahy, fa tsy tamin’ny andro alina tahaka ny mahazatra. Somary nahagaga kely ihany koa rehefa nodinihana ny zava-nitranga rehetra ny hoe jiolahy 3 no niditra tao amin’ilay trano, tsy nisy nitondra basy, mpiambina 3 no tao fa sendra nivoaka ny iray ka 2 no tavela ary dia tsy afaka niaro tena mihitsy ireo mpiambina sisa tavela ireo fa dia nodarohan’ny jiolahy sy nofatorany tao anatin’ny fotoana fohy dia nanao izay tiany rehetra nisava ny trano avy eo ireo jiolahy. Nisy ny nampandre ny mpitandro ny filaminana ary voatondro fa 30 minitra taorian’ny nitrangan’ny fanafihana no tonga teny an-toerana ny zandary, efa tsy tao intsony anefa ireo jiolahy. Resabe ity raharaha ity nanomboka ny alatsinainy teo. Maro ny olom-pirenena resy lahatra fa tsy fanafihana tsotra tahaka ny mahazatra iny nitranga teny Ambohibao iny fa misy dikany hafa mihitsy. Tena resaka politika iny, hoy ny ankamaroan’ireo nanontaniana, ary tahaka ny hafatra ho an’i Andry Rajoelina mihitsy manao hoe:mipetraha tsara fa aza be fihetsiketsehana !
Ntsoavina Evariste sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.