Politique

Fanadiovana ny lisi-pifidianana 66 000 ny anarana niverina, 379 000 tsy tomombana


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Nikatona vonjimaika omaly 10 aprily ny lisi-pifidianana. 9 623 662 ny mpifidy voasoratra anarana ara-dalàna hatreto taorian’ny fanadiovana ny lisitra, araka ny tatitry ny CENI omaly 11 aprily 2023.

Manome 70,80% amin’ny tanjona nofaritana izay 13 593 006 io. Miisa 10 069 136 no voaisa hatramin'ny nanaovana ny fanavaozana tanteraka saingy nisy ny latsaka rehefa natao ny fanadiovana, hoy ny Mpampaka-teny voalohany eo anivon’ny CENI Atoa Soava Andriamarotafika. Tamin’ny alalan’ny fampiasana ny rindram-baiko dia miisa 66 313 (0,66%) ny anarana mitovy na miverimberina niverina toy ny anarana iray voasoratra in-droa na "Doublon" ny mitovy laharan-karapanondro sy ny endriny hafa mety maromaro, hoy hatrany io tompon’andraikitry ny CENI io. Nambara ihany koa fa 379 161 fa nahitana tsy fahatomombanana loatra tao anatin’ilay takelaka manokana nanisana mpifidy, toy ny daty nahaterahana mety tsy ampy, laharan-karapanondro tsy feno, na tsy fahatomombanana hafa, ka tsy maintsy haverina eny anivon’ny fokontany mba hanaovana fanintsiana. Taorian’izay fanadiovana izay no nivoahan’ilay 9 623 662. Raha hakambana izany, 445 474 izany ny anarana niverimberina na nisy tsy tomombana hafa nesorina. “Izay no niainga tamin’ny fanadiovana saingy mety tsy ho tomombana 100%, mety mbola misy anarana ho diso tsy maintsy harenina satria tsy vita any anaty rindram-baiko”, hoy ny CENI. Manana 20 andro hanamarinana ny lisitra eny anivon’ny fokontany ny olom-pirenena. Nanentana ireo olona mbola tsy nahavita tanteraka ny fisoratana anarana moa ny CENI, ary nampahatsiahy fa mbola manana hatramin’ny 31 may hisoratana anarana ny rehetra. Rehefa jerena, mbola latsaky ny isan’ny 9 913 599 tamin’ny fifidianana 2018 izany hatreto ny ao anatin’ny lisitra nohavaozina.
AMBANY BE NY TAHA HO AN’ANTANANARIVO
Raha ny taham-pisoratana anarana dia ny faritanin’Antananarivo no ahitana mpifidy betsaka indrindra izay 3 045 005 hatreto, saingy ambany indrindra amin’ny tahan’ny fisoratana anarana satria mbola any amin’ny 66,25% amin’ny tanjona nokendrena 4 596 461. Ny 71,47% kosa I Toliara izay 1 433 625. Eo amin’ny 71,86% ny any Antsiranana izay 705 745 ny isan’ny mpifidy ara-dalàna hatreto; 71,94% kosa ny an’I Toamasina izay 1 459 746; Fianarantsoa 73,41% amin’ny alalan’ny mpifidy 1 792 043; ary Mahajanga izay kosa no manana taham-pisoratana anjara ambony indrindra hatreto satria 77,20% izany amin’ny alalan’ny mpifidy 1 187 498.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT