Hita taratra omaly sahady, roa andro taorian’ny asa fanadiovana ny lakan-drano nataon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy sy ny mponina eto an-drenivohitra fa nanomboka nisosa ny rano amin’ireo lakandrano eto Antananarivo sy ny manodidina.
Hanohy hatrany ny asa ny kaominina mba hisorohana ny tondra-drano, araka ny efa fampanantenan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana tamin’ny mponina teny amin’ny faritra iva. Faly ny mponina nahita izao hetsika goavana izao ary mino sy manantena fa tena hiova endrika sy hadio ato anatin’ny fotoana fohy ny renivohitra.
Samy mandray andraikitra
Laharam-pahamehana ho an’ny kaominina amin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao ny fitsinjovana ireo faritra iva mba tsy ho dibo-drano ka izay no hanatanterahana ny asa fanadiovana. Tsy misy ny andraso andraso fa dia nampiasaina ny fitaovana goavana. ny lakan-drano teny Andavamamba Anatihazo I no nanatanterahana indray ny asa omaly. Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 2007 no nisy ny fanadiovana farany teo amin’io lakandrano io, izany hoe tao anatin’ny taona maromaro dia niaina tao anatin’ ny fako sy loto ny mponina teny. Tonga nijery ifotony ny asa ny lefitra voalohan’ny Ben’ny Tanàna Patrick Ramiaramanana, nahitana ihany koa ny delegen’ny boriborintany Voalohany Razafimbelo Arinosy Jacques sy ny mpiara-miasa aminy ary ny Filohan’ny Fokontany Andavamamba Anatihazo I. Araka ny nambaran’Andriamatoa Lefitry ny Ben’ny tanàna dia: « fiatombohan’ny asa fanadiovana ny lakan-drano izao, tsy maintsy esorina ny fako mba hahafahan’ny rano mikorina tsara ». Ny rano maloto avy amin’ireo tokantrano sy fokontany maro toa an’Ambodin’Isotry, 67ha Sud, Andranomanalina, Anatihazo Isotry, sy ny maro hafa koa no mikoriana sy mivarina amin’ity lakan-drano izay diovina ity. Fitaovana hary fomba sy matanjaka tahaka ny tracto-pelle, camion citerne fitrohana ny rano maloto no nampiasaina. Nambaran’ireo tompon’andraikitra ihany koa fa : « tokony hohamafisina ny fanentanana ny mponina eny amin’ny fokontany satria raha araka ny hita dia fako avy any anaty tokantrano no tena nanentsina ny lakandrano, ary zava-poana ny fanadiovana raha mbola manao ny fahazaran-dratsiny ihany ny mponina ».
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.