Fanadihadian’ny depiote Raholdina

teny Ambohitrimanjaka “Noterena handoa 9 tapitrisa Ariary ireo te hijanona amin’ny tany”


  • Alatsinainy 18 Septambra 2023

Taorian'ny fitarainana nataon'olona sahirana tsy mahay taratasy avy eny amin'ny kaominina Ambohijanaka tamin'ny solombavambahoaka,

Naivo Raholdina, filohan'ny vaomieran’ny fananantany eny anivon'ny antenimieram-pirenena, fa misy mikasa haka ny tany misy ny trano fonenana sy fiompiany amam-polo taonany dia nanao fanadihadiana teny amin'ny “Domaine” na sampan-draharaha momba ny fananan-tany ity solombavambahoaka ity, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Hita fa mbola boky rovitra io tany misy mikasa haka io, hoy ny fanazavana. Nambaran'ireo niharan'ny tsindry hazo lena fa noterena handoa vola 9 tapitrisa Ariary izy ireo raha te hijanona eo amin'io tany efa misy azy io. Nidina teny an-toerana ny depiote, Naivo Raholdina, ny sabotsy teo nijery ifotony ny zava-misy. Tranga efa fahita ny toy izao, hoy izy. Araraotin'ny mpanam-bola sy ny mahitahita ny faharovitan'ny bokin’ny tany iray. Io no nanoloran'ity depiote ity lalàna mahakasika ny boky rovitra mba hamahana izany olana izany sy tsy hisian'ny fanararaotana ireo tsy mahay taratasy sy sahirana, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT