FANABEAZANA AO AMPITATAFIKA

Vita 100 % ny fampanantenana nataon’ny Ben’ny tanana


  • Talata 25 Jona 2024

Vita 100% ny fampanantenana nataon’ny Ben’ny tananan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina

tamin’ny vahoaka entiny mikasika ny resaka fanabeazana ao amin’ny faritra iadidiany. Fampanantenana tamin’ny fampielezan-kevitra fifidianana Ben’ny tanana farany teo izany izay manana tanjona hampitombo isa hatrany ireo zaza miditra an-tsekoly amin’ny alalan’ny fananganana foto-drafitrasa mifanaraka amin’izany. Hiady fototra ny EPP vaovao ao Ambohibary izy ireo amin’ny Zoma 28 Jona izao. Ahitana efitrano fianarana miisa telo izy io miaraka amin’ny trano fivoahana sy fidiovana. Vokatry ny fanampian’ny firenena Irlande sy Grande Bretagne no angady nananana sy vy nahitana izany miaraka amin’ny tany izay fantatra fa vaovao ihany koa. Haharitra 3 volana eo ho eo ny asa, tranon-tsekoly kasaina ho afaka handray mpianatra amin’ny taom-pianarana vaovao 2024-2025 ho avy io. Nomarihin’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina moa fa Fokontany miisa 3 ao amin’ny kaominina Ampitatafika sisa no tsy manana EPP dia ny Fokontany Avaratetezana, Ambodizozoro ary Soavimbahoaka. Olan’ny tany no mahatonga ireo Fokontany ireo mbola tsy nahazo ny anjarany fa raha resaka mpamatsy vola mety hahita hatrany ny kaominina.
Pati
Legende : Izy no Rado Ramparaoelina, Ben’ny tananan’Ampitatafika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT