Fampitsoahana an-dRajoelina

Nalain’i Lafrantsa ny olony, nilaza ho mitsabaka eto…


  • Talata 14 Oktobra 2025

Mihazakazaka ny toe-draharaha !

Ofisialy fa tsy eto an-tanindrazana intsony i Andry Rajoelina, marina sy mitombina ny vaovao notaterina teto omaly, fa nitsoaka any ivelany ity farany. Nakany Sainte Marie tamin’ny alalan’ny angidim-by, ary tany no nalain’ny miaramila Frantsay nakatsy La Réunion, niazo an’i Maurice avy eo, ary mety avy any Dubai izy sy ny fianankaviany. Ny azo antoka dia tsy ao La Réunion intsony, hoy ny RFI omaly. Miteraka ahiahy goavana amin’ny lafiny diplaomatika io, indrindra ny mety ho fitsofohana antsokosoko tamin’ny sisin-tanin’i Madagasikara. Nanaitra rahateo ny nilazan’i Prefen’i La Réunion Patrice Latron tamin’ny fahitalavitra Réunion 1ère izay raha adika tsotsotra dia hoe : «Nisy resaka teo amin’ny La Réunion sy France ary Madagasikdra. Ny Fanjakana, amin’ny rafitra rehetra misy ao aminy, sivily na miaramila… misy drafitra azo hetsehina avy hatrany amin’ny fotoana rehetra… Miomana amin’izany izahay miaraka amin’ny hery miaramila ao amin’ny faritra atsimon’ny ranomasimbe Indiana. ». Namoaka serasera avy eo ny Masoivoho Frantsay fa tsy misy fitsabahana na « ingérence » ataon’ny Frantsay, ary tsy misy fikasana handefa tafika eto. Na izany aza heverina fa tsy tongatonga ho azy ny tenin’ilay Prefe tatsy La Réunion. Efa nisy zavatra nomanin’i Andry Rajoelina sy ny Frantsay ? Manana tombotsoa goavana ara-toekerana eto i Lafrantsa, ary ny fahatongavan’i Emmanuel Macron teto tamin’ny aprily dia niresaka ny tokony hanomezana sehatra azy amin’ny harena an-kibon’ny tany eto. Rajoelina izay Frantsay nanomboka ny taona 2014, dia olony mazava ho azy. Tambin’ny fakan’i Lafrantsa an-dRajoelina ny namoahana didim-panjakana manafaka ireo teratany Frantsay nogadraina tamin’ny raharaha Apollo 25 dia i Paul Rafanoharana sy Philippe François. Ara-toekerana sy diplaomasia, na tiana tsy tiana anefa, misy tombotsoa goavana arovan’i Lafrantsa eto. Anisan’ny nanamarika ny dian’i Macron teto tamin’ny aprily ny hoe : omeo sehatra bebe kokoa amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, tsy ny Iles éparses no tokony handianareo rondoha fa ny taham-pahantrana 80%. Ny raharaha anatiny eo ihany, fa na tiana na tsy tiana dia tena mila fahamailoana be ihany koa ny resaka ara-jeopolitika amin’ny toe-draharaha eto amintsika. Tsy maintsy hanao ny fomba rehetra hitazonana sy hifehezana ireo sehatra stratejikany eto i Lafrantsa mba tsy hanarahantsika ny dian’ireo Firenen-kafa toa an’i Mali, Burkina Faso, Niger, Tchad, Gabon,… izay nanapaka tadim-poitra taminy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT