Fampitonitoniana vonjimaikan’ny HCC

Hahemotra herinandro ny fifidianana


  • Zoma 13 Oktobra 2023

Nivoaka omaly ny valin’ny fitorian’ny Antoko ARB (Anjomara sy Rivo-Baovao) sy ny kandida Andry Raobelina

mangataka ny fanemorana ny fifidianana noho ny antony tsy azo ivalozana na « cas de force majeure » vokatry ny tsy fahasalamany, ka nambara fa azo raisina ny fitoriana hanemorana ny fifidianana. Nambara anefa fa nolavina ny fanasokajiana azy io ho antony hilazana fa anatin’ny antony tsy azo ivalozana. Tsara ny mampahatsiahy fa araka ny andininy faha-47 tapany faha-4 amin’ny lalàmpanorenana dia ny fahafatesana kandida sy io antony tsy azo ivalozana io no hahafaha-manemotra ny fifidianana. Nanapaka anefa ny HCC fa amin’ny maha manana fahefana feno handrindra, dia namoaka didy fanemorana ny datim-pifidianana ho an’ny fihodinana voalohany mba hatao ny 16 novambra ny HCC, ary mitazona ny fihodinana faharoa ho amin’ny 20 desambra. Mihemotra herinandro ihany koa ny fe-potoana hahafahana manao fampielezan-kevitra, ka ny 15 novambra amin’ny 12 :00 alina izany no mifanarana tanteraka. Nomena toromarika handray didim-panjakana milaza io fanemorana ny datim-pifidianana io avy hatrany ny governemanta ary nomena toromarika handray ny fepetra sy lamina mifanaraka amin’izany ireo rafitra mikarakara ny fifidianana. Efa didy tsy azo ivalozana ny an’ny HCC fa moa ve tena mahavaly ny fitakiana sy fangatahana izay tsiahivina fa tsy fahafahana ao anatin’ny 30 andro no voalazan’Atoa Andry Raobelina ? Andrasana ny mety ho setriny hoe : afa-po tamin’iny ve ny mpangataka na ekena aza fa didy tsy azo ivalozana ? Fanontaniana azo hapetraka ihany koa ny hoe : fa raha tsy raikitra amin’ny daty voafaritra moa ilay latsa-bato, moa ve tsy tokony miverina maka tolo-kevitra daty vaovao any amin’ny CENI indray sa vitan'ny HCC ny manapaka amin’ny toeran’ny CENI ? Ara-politika, iaraha-mahita ny olana samihafa, ary ireo kandida maro an’isa no efa nanambara fa tsy feno ny fepetra hahafahana manatanteraka fifidianana madio sy milamina ary eken’ny rehetra, betsaka ireo zavatra mila amboarina raha tiana ny hisian’ny fahamarinan-toerana ara-politika ho an’izay filoha manaraka eo, tahaka izany ihany koa ny fitakiana ny tsy fahafahan’ny olona efa very zom-pirenena Malagasy ary efa vahiny tsy ho kandida izay notsipahan’ny HCC,… Hanova zavatra ve ny fanemorana herinandro ny datim-pifidianana sa karazana fampitoniana politika vonjimaika ihany io? Samy miandry izay ho tohiny rehetra fa ny sary miseho aloha dia miakatra hatrany ny maripana ary heverina raha dinihina amin’ny toe-draharaha politika ankehitriny fa tsy hahavaha olana velively ny fanemorana herinandro ny fifidianana satria tena mbola betsaka ny tsy fahatomombanana ao anatin’izany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT