Politique

Fampiroboroana indostrialy Hanohana 14,52 tapitrisa Euros ny BAD


  • Alatsinainy 12 Septambra 2022

Hanampy ara-bola 14,52 tapitrisa euros an’i Madagasikara ao anatin’ny fanovana ara-indostrialy ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD)

amin’ny alalan’ny tetikasa PAISF (Projet d’appui à l’industrialisation et au secteur financier). Haompana kokoa amin’ny fampiroboroboana sy fanohanana ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME), araka ny fampahafantarana nataon’ny BAD. Hanatsara ny tontolo ara-pampiasam-bola tsy miankina amin’ny indostrian’ny fanodidina akora, tahaka ny fanodinana sakafo, lamba. Natao hanohanana sy hanafainganana ny fampiroboroboana ny faritra fampiroboroboana ny ara-indostrialy na ZEI (Zones d’émergence industrielle). Tafiditra indrindra ao anatin’ny ODOF (One District One Factory) rahateo io. Isan’ny hahazo tombony amin’izany ny Fanjakana amin’ny alalan’ny fanamafisana ny lafiny araka ny lalàna ny rafitra misahana ny fampiroboroboana ara-indostrialy sy ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola ataon’ny tsy miankina. Mikendry ny hanamorana ny 3P (Partenariat Public-Privé) ihany koa ity PAISIF ity, izay natao hisintonana ny tsy miankina hiditra an-tsehatra amin’ny fampiroboroboana ara-potondrafitrasa, hoy ny fanamarihana. Hisy ihany koa ny famatsiam-bola mifanindran-dàlana amin’io amin’ny alalan’ny FNDI (Fonds National de Développement Industriel) hanampiana ara-bola ny PME, hoy ny BAD.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT