Fampikatsoana ny raharaham-panjakana

Hitokona ny fadin-tseranana manomboka rahampitso…


  • Alarobia 25 Oktobra 2023

Manamafy ny hirosoana amin’ny fampikatsoana ny fampiodinana ny asa sy raharaham-panjakana ny

Fiombonamben’ny Sendika eto Madagasikara na ny SSM raha toa ka tsy misy ny vahaolana momba ny toe-draharaham-pirenena ao anatin’ny 72ora nanomboka ny alatsinainy teo. Manomboka rahampitso no hirosoana amin’izany rehefa tsy tanteraka ny fitakiana. Ho an’ny Fadin-tseranana, efa nivoaka ny fampilazana ho an’ireo mpila raharaha fa hisy fitokonana ataon’ny SSM ho fanerena ny Fanjakana sy ny mpiantsehatra politika hamaha ny krizy mba tsy hiitaran’izany ka hiteraka krizy ara-toekarena goavana. Manomboka rahampitso 26 oktobra 2023 amin’ny 8ora maraina mandra-pisian’ny vahaolana no manomboka izany, raha ny taratasy fampahafantarana nataon’ny Filohan’ny SSM Atoa Andrianavalona Ramanambola Herizo izay sady mpitarika teo anivon’ny sendikan’ny fadin-tseranana rahateo. Hisy anefa ny fiandrasan-draharaha ho an’ny fadintseranana ka voakasik’izany ny fanafody, entana ara-diplaomatika, entana mora simba, razana. Isan’ny ain’ny toekarena ny fadin-tseranana izay mampiditra manodidina ny 5 miliara Ar isan’andro, ka ho henjana ny fiantraikany, raha tena mikatso sy mihisatra tanteraka tokoa io. Marihina fa efa nandefa taratasy any amin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny andrim-panjakana, mpikamban’ny governemanta amin’ny fampiomanana amin’ny fitokonana ny SSM ny alatsinnainy teo noho ny: tsy fanajana ny fifanarahana iraisam-pirenena laharana 87 sy 98 ka nanasaziana sy nanenjehana mpitarika sendika nanao hetsika sendikaly tao anaty toeram-piasana, fanagiazan’ny primatiora ny “avant-projet de loi SGAP” tsy ho eny amin’ny antenimierampirenena; tsy fahamahana ny olan’ny mpiasa tao anatin’ny fotoana lava; tsy fanekena ny “alignement de la grille indiciaire” efa lany andro efa nahavitana dinika indroa miantoana ny 2017 sy 2021; tsy fihainoan’ny solontenam-panjakana ny sendika.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT