Fampijaliana ny Malagasy

Mbola misy Fanjakana ve eto ?


  • Zoma 29 Desambra 2023

Tsy finiavana hitanisa zavatra miiba lava, fa toa izany no misongadina amin’izao eo anatrehan’ny

zava-mitranga miantraika mivantana na ankolaka any amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Betsaka ny zava-doza mitranga raha tsy hilaza afatsy ny fandriampahalemana. Raha somary nangingina ny halatra voamaso, halatra olona varira,… dia nirara-kopana ny fanapahan-doha tany amin’ny distrikan’i Vondrozo, Mahabo,… Taiza hatramin’izay no mbola misy hoe : ao anatin’ny herinandro dia olona 4 no indray tapa-doha ny faramparan’ny novambra teo tany Mahabo. Lehilahy lehibe iray, 70 taona eo, mpanao saribao no maty tsy tra-drano novonoin'ny jiolahy tao an-tranony Menabe vao 5 andro lasa izay,... Ampahany ireny fa izany no mahazo ny Malagasy. Nanjaka ihany koa ny fakana an-keriny tany Alaotra, Betsiboka, Boeny,... Ranolava ny fanafihana mitam-piadiana nahalatsahana ain’olona maro na an-drenivohitra na ambanivohitra, tahaka ny tetsy Tsaramasay vao telo andro lasa namoizana ain’olona iray. Mitombo ny tsy fandriampahalemana satria tsy misy politika mazava momba ny famoronan’asa, zarina hiandry toloram-potsiny ny olona ka rehefa tsy mahazo dia manita-kevitra.
FAMPIJALIANA TSY MISY FANDRAISAN’ANDRAIKITRA
Ireny ny famonoana vahoaka mivantana, fa io ihany koa ny famonoana ankolaka, toy io fisandohana sy fisolokiana amin’ny endriny maro io : raharaha QC Star nahaverezana volan’olona mety amina miliara maro ; ny saika hanapoizinana ny Malagasy tamin’ny vary lo, fa ny gony nosoloina ho vaovao sy nasiana soratra « Vary Tsara »,… « Qc star, antares sns. Tokana ihany ny valiny. Ny ezaka no mitondra vokatra. Ary mbola misy fanantenana foana ho an izay miezaka. Tsy voahozona izany ny firenentsika. Ry fanjakana, nahoana no dia jerem-potsiny ny mpisoloky tahaka izao. Tsy indray tsy indroa. Ataovy tahaka ny solombavambahoaka sy ireo mpampianatra, tonga dia nantsoina ho eny fiadanana.", hoy Atoa Tahina Razafinjoelina isan’ireo kandida filoham-pirenena farany teo omaly. « Vary efa simba tsy fihinana mbola nokasaina hamidy ihany kanefa fantatry ny tompon'andraikitra rehetra. QC Star, fisandohana toa avela andeha amin'izao ! Tsy vitan'ny fanakorontanana fiainam-bahoaka fa famonoana vahoaka mihitsy ! Hahetsika ve ny mpitandro ny filaminana aman'arivony sa hitazam-potsiny ?"hoy ihany Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo. Nahoana tokoa no rehefa fiarovana ny vahoaka ny vahoaka sy fandraisana andraikitra amin’ny zava-doza tena marary ny Malagasy tahaka ireny no toa mitarazoka ny fandraisana andraikitra fa rehefa fanenjehana ara-politika sy fiarovana seza dia tena hentitra ny fanenjehana ?
FAMPIJALIANA SY FAMONOANA AMIN’NY ENDRINY HAFA
Mbola fampijaliana sy famonoana tsikelikely amin’ny endriny hafa ihany koa ny tsy fahaiza-mitantana mamotika ny toekarena toy io fitotonganan’ny sandam-bola io, ny famotehana sy fanaovana ambanin-javatra ny fampianarana, ny sehatry ny angovo mamotika ny fihariana, ny volan’ireo orinasa tsy voaloa, ny kolikoly avo lenta maro samihafa, ny fampanantenana poakaty, ny fako tsy voaraoka, ny làlana tapitra potika tsy voakarakara,… Rehefa tsizarizary ny sehatra sy seha-pihariana samihafa dia mitolefika ho azy ny toekarena sy ny firenena. Mbola azo apetraka sy averina amin’ny mpitondra ankehitriny ny fanontaniana napetrak’Atoa Andry Rajoelina ny aogositra 2018 hoe : mbola misy Fanjakana ve eto ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT