Efa nifanatona tamin’ny filohan’ny Repoblika, ny filohan’Antoko, ireo mpifanadrina ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM manoloana izao raharaham-pirenena misavorovoro izao, raha ny nambaran’ny filohany Maka Alphonse omaly teny amin’ny fiangonana EEM Ambohimanoro.
Nihaona tamin’ny mpiara-miombon’antoka amintsika ihany koa, ka dia haravona io, hoy izy. Momba ny fahatongavan’ny solontenan’ny sehatra iraisam-pirenena hiditra an-tsehatra amin’ny fanelanelanana kosa, dia nambarany fa ny tenany mihitsy no nihaona tamin’ny PNUD, ny Vondrona Afrikanina, ny Vondrona Eoropeanina, ny Mpiraki-draharaha Amerikanina,… Zavatra anankiroa no tena nisongadina dia ny hoe mila manaraka ny lalàmpanorenana sy ny fanamafisana fa ny CFM no rafitra ara-panjakana miandraikitra ny fampihavanana. Nambaran’i Maka Alphonse ary fa manome vahana ny fifampiresahan’ny Malagasy izy ireo. Efa nifampiresahana izany, hoy izy, fa izy ireo dia hanampy tosika fa tsy hitsabaka sy tsy hiditra lalina ao anatin’io. Nifanindran-dalana tamin’ny fotoam-pivavahana nataon’ny FFKM teny Ambohimanoro iny moa ny namoahan’ny CFM fanambarana fa tsy miandany sy mitanila izy ireo. Resabe teto amin’ny firenena ny mbola nahitana ny filohany Maka Alphonse niara-dalana tamin’ny filoha tany Toamasina ny 22 aprily, ampitson’ny ra nandriaka tetsy Analakely. Fanomezam-boninahitra ny lanonana nokarakarain’ny Fikambanan’ny Zanak’i Toliara any Toamasina (FIFATO), izay napetrak’izy ireo teo ambany fiahian’i Maka Alphonse no tena anton-dia. Tamin’io fotoana io no nanasan’ny tale jeneralin’ny Seranan-tsambo, izay zanak’i Toliara hanome voninahitra ny fametrahana ny vato fehizoron’ny asa fanitarana. Maro no mametra-panontaniana hoe nahoana no efa lasa resabe aty aoriana vao miresaka izany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.