Politique

Fampihavanam-pirenena “Tokony hijery ny tantara marina ireo mpahaitantara”


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Ny tantaran’I Madagasikara, ny fitondrana mpanjaka nisy teto dia “multipolaire” na avy amina fihaviana maro, hoy ny Cheikh Antehimoro, Yackobson Brice Andrianirina

Hatramin’ny nahatongavan’I Jeneraly Gallieni dia nisy ny fifandraisana tamina faritra hafa, hoy izy. Isan’izany ny fifandraisana tamin’ny Soltana Doman sy Yemen. Ny fifandraisana tamin’i Indonezia, tamin’ny alalan’ny tanana antsoina hoe Atche, Portugal tamin’ny fanjakan’I don Manuel I sy don Manuel II. Ireo mpanjaka portogey nametraka fiarovana tany Matatana, Vohipeno. Toy izany ihany koa ry zareo espaniolina sy Afrika atsinanana rehetra. Nifandray tamin’ny foko maromaro teto Madagasikara ny mpanjaka tany. Tantaran’I Madagasikara izany, ankoatran’ireo foko manana tantara voasoratra. Manana anjara asa lehibe voalohany amin’ny fampihavanana izany ny mpahaitantara malagasy. Tokony hijery ny tantara marina ireo mpahaitantara malagasy ireo fa tsy mijery izany amin’ny tanjona tokana dia I Lafrantsa. Matetika ny fianarana vitan’ireo dia notsaraina teo anatrehana mpampianatra frantsay na “francophone”. Tsy ampy dia tsy ampy izany satria ny teny hoe “rova” sy “doany” fotsiny izao, amin’ny maha taranaka antehimoro ny tenako sy ny fianarako ny tantaran’I Madagasikara, izao dia avy amin’ny teny arabo, toy ny nihavian’ny teny hoe Alatsinainy, talata, alarobia sy ny ambiny. Rova avy amin’ny hoe “Raova”. Ny doany avy amin’ny hoe “Doha”, izay midika hoe hataka, vavaka. Anjarantsika ny mikaroka izany satria rehefa voaravina ireny dia mihavana ho azy ny malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny Cheikh Yackobson Brice Andrianirina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT