Politique

Fampihavanam-pirenena Mbola lavitry ny afo ny kitay


  • Zoma 23 Martsa 2018

Enim-bolana eo ho eo izay ny nitsanganan’ny Filan-kevitry ny Fampihavanam-pirenena Malagasy na ny CFM, izay rafitra ara-panjakana natao iantsoroka ny fampihavanana eto amintsika, araka io anarany io.

Maro amin’ny mpandinika politika sy ny mpanao politika, ary ny olom-pirenena no tsy manana fanantenana ny hahatafitan’io rafitra najoro io ny iraka ampanaovina azy. Hatreto aloha dia mbola lavitry ny afo ny kitay. Miha mafana ny toe-draharaha sy ny fifanolanana eto amin’ny firenena, saingy tsy tena hita aloha izay tena vokatra mivaingana. Na izany na tsy izany, dia nambaran’ny Filohan’ny CFM,  Maka Alphonse tamin’ny fakan-kevitra natao taminy kosa, fa dingana efa natao ny fametrahana ny rafitra anatiny sy ny isam-paritra. Eo ihany koa ny famolavolana ny paikady hoeti-mitondra ny fampihavanana hisian’ny filaminana ara-politika. Nisy ny fanantonana ireo hery politika sy ireo Raiamandreny efa nitantana ny firenena, ary efa nisy ihany koa ny fitetezam-paritra samihafa, toy ny tany Antsirabe. Ao anatin’ny fivoriam-be ny mpikamban’ny CFM amin’izao fotoana izao, ary any amin’ny 4 aprily any ho any no hifaranany, ary aorian’izay dia hiroso lalindalina kokoa ny CFM, raha ny nambaran’ny filohany hatrany.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT