Nalaza teo fa vitan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea ny fampihavanam-pirenena.
Tsara, hoy ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy, Gerard Ramamimampionona, ny ezaka vitan’ny Barea. Tsara anefa ny tsy manapoizina ny fomba fijerin’ny mpanara-baovao na « opinion publique » satria na dia nahitana fiombonam-po sy firaisankinam-pirenena aza ny lafiny fanatanjahantena dia rantsana iray amin’ny fiainam-pirenena ihany io. « Ahoana no ahafahana mampimpaka izay fiombonam-po sy firaisankina izay amin’ny fampandrosoana ny sosialim-bahoaka sy toekarena sy lafin-javatra hafa ? », hoy izy. Antony ilazana izany fa mbola lavitra ezaka ny fampihavanam-pirenena. Zava-dehibe ny naha lany 100% ny filohan’ny antenimiera sy ny kabariny hoe hampanjaka ny adihevitra ao amin’ity andrim-panjakana ity ary antoka ho an’ny demokrasia izany raha tanteraka. Tsara izay fiheverana hoe ekipa iray izay, hoy izy, ny antenimieram-pirenena ary antony ilazana hoe « Alefa Antenimieram-pirenena ! ».
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.