Politique

Fampiharana ny tondrozotra Betsaka ny tsy hampoizina


  • Alarobia 12 Oktobra 2011

Nigadona eto Madagasikara hatry ny omaly ny delegasiona mafonja avy amin’ny vaomieran’ny filaminana eo anivon’ny SADC, tarihin’ny Jeneraly Nyembe Jeremiah Mduduzi, teratany afrikana tatsimo.

 Delegasiona ahitana mpikambana 22 mianadahy be izao no indray tonga, ary vonombonona no fahitana azy ireo. Misy polisy, miaramila, avy amina firenena samihafa RDC, Zambia, Tanzania, Afrika Atsimo, ireto tonga ireto. Dimy andro no haharetan’ny iraka tontosain’izy ireo eto, mandritra izay dia hisy fihaonana amin’ireo mpiantsehatra politika samihafa, indrindra ny eo anivon’ny foloalindahy Malagasy. Fihaonana tafiditra amin’ny fandinihana ny fampiharana ny sori-dalana izay arahin’ny fametrahana ny biraom-pifandraisan’ny SADC eto Madagasikara. Ankoatra izay dia andrasana amin’ity anio ity eto Antananarivo ny fahatongavan’ny iraka manokan’ny Troika tarihan’Atoa Marius Fransman, minisitra lefitra Afrikanina Tatsimo misahana ny fiaraha-miasa.

Tsy fakan-kevitra intsony no anton-diany eto fa fijerena ny fomba maharesy lahatra ny ankolafy politika rehetra amin’ny fampiharana ilay sori-dalana. Efa nivoaka mihitsy moa ny resaka fa ho fantatra amin’ny zoma ho avy izao ny fomba hanatanterahana ny sori-dalana. Raha ny resaka mandeha dia efa manana zavatra vonona any ny Troika momba azy io, saingy toy ny nataony farany teo, dia efa eo an-toerana mihitsy vao hampahafantarina ireo mpiantsehatra politika ny amin’izany. Betsaka ny zavatra tsy hampoizina hitranga eo, araka izany. Manana ny fomba fiasany rahateo ny Troika fa tsy toy ireo Mozambikanina, nirahina nanao fanelanelanana teto, izay mijijy baolina ny androatokon’andro niasany.

Efa natevintevina ihany ilay sori-dalana miaraka amin’ny fanazavana sy fanamarihana isan-karazany. Efa nisy indray ny fihaonana teo amin’ny solontenan’ny Troikan’ny SADC sy ireo ankolafy politika mpanao sonia azy iny. Tany Pretoria koa tsy any amin’ny adihevitra intsony ny resaka fa fanatanterahana izay nosoniavina amin’izay. Ilay fitsinjarana ny toerana ao anatin’ny andrim-panjakana isanisany moa izao no tena andrasan’ny maro hoe hanao ahoana ? Mbola andrasana ihany koa ny hoe tsy maintsy horavana tanteraka mihitsy ve ny CT sy ny CST ary ny governemanta dia fanendrena vaovao no atao sa ampiana fotsiny ny isa dia mba samy manana solontena ao ireo vondrona politika nanasonia ilay sori-dalana ? Fa mbola mampifanipaka ny hevitra eo amin’ny FAT sy ny mpanohitra ihany koa ny fiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto Madagasikara.

Ny mahasarotra ity raharaha ity dia ny fidiran’ny foloalindahy tao amin’ilay resaka.Nanao fanambarana iombonana mantsy ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy fa tsy mbola azo atao ny mampody ity filoha teo aloha ity eto Madagasikara fa mety hiteraka korontana. Ny fitsarana ihany koa dia mandrangaranga didy fampisamborana ary efa natsidika mihitsy aza ny hoe alain’ny mpitandro ny filaminana malagasy any Afrika Atsimo ingahy Ravalomanana, saingy mazava izao fa tsy hotanteraka io paikady iray io. Tao anatin’ny herinandro no nandresen’ny Troika lahatra ny ankolafy politika rehetra, ankoatra ny ankolafy Ratsiraka mba hanasonia ny sori-dalana, ka ho hita eto indray raha hahavita handamina ny raharaha ao anatin’ny telo andro izy ireo amin’ity indray mitoraka ity. Raha ny tokony ho izy dia hisy indray ny zoma na ny sabotsy ho avy izao fanambarana ataon’ny Troika miaraka amin’ireo vondrona politika rehetra ny amin’ny mety ho tohin’ny raharaha dia ny fananganana ireo andrim-panjakana rehetra raha toa ka efa misy izany. Ny tena marina koa dia any amin’ny foloalindahy ny baolina satria hita ho efa mitovy tadin-dokanga ihany ireo vondrona politika matoa nanasonia ny sori-dalana tamin’ny 17 septambra.

RTT

 

Sary : Ny Jeneraly Nyembe Jeremiah Mduduzi, mitarika ny delegasiona avy amin’ny vaomieran’ny filaminana teo ampahatongavana teny Ivato omaly (sary Rakotobe)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT