Politique

Fampiharana ny sori-dalana Hodinihan’ny CPS sy ny GIC M ato ho ato


  • Talata 25 Oktobra 2011

Araka ny fanambarana an-taratasy navoakan’Atoa Jean Ping filohan’ny vaomieran’ny Vondrona Afrikanina dia mahavelombolo ny fizotry ny famahana ny krizy eto Madagasikara.

 Nambarany ihany koa fa efa mandeha ny fifampiresahana amin’izao fotoana ny amin’ny tokony hanatanterahan’ny Vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana (CPS) eo anivon’ny Vondrona Afrikanina fivoriana, mba handinihana indray ny zava-misy eto Madagasikara ary mba hanehoana fa manohana ny fikaroham-bahaolana hamahana ny krizy ny Vondrona Afrikanina. Fantatra fa hisy ihany koa aorian’ity fivorian’ny CPS ity ny fihaonamben’ny GIC Madagascar.

Ny anton’io moa dia fanaovana tomban’ezaka ny amin’ny dingana rehetra vita, tahaka ny fampiharana ny sori-dalana, ary koa hahafahana manetsika amin’izay ny sehatra iraisam-pirenena mba hanampy an’i Madagasikara amin’ny fametrahana sy fampandehanana ilay tetezamita iaraha-mitantana. Mazava ho azy fa mila vola sy fitaovana hoenti-miasa, indrindra fa hikarakarana ny fifidianana ny fitondrana tetezamita, ka izay no tsy maintsy hifampidinihana amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

Mialoha izany rehetra izany anefa dia mila hajaina tsy misy mipika mihitsy ny voasoratra ao anatin’ny sori-dalana, izany hoe tafatsangana ireo rafitra rehetra ahitana ary hita ao ny vondrona politika rehetra, mivoaka ny gadra politika rehetra ary atao ny famotsoran-keloka sy ny fampihavanam-pirenena, ary tafody eto daholo ihany koa ireo sesitany politika. Sonia mitaky andraikitra sy asa mivaingana ny natao teny amin’ny Le Paon d’Or fa tsy hoe atao dia hodiana fanina tahaka ny tany Maputo tsy akory. Tsara homarihana ihany koa fa ny tatitra avy any amin’ny Troikan’ny SADC no horaisin’ny CPS ka amin’ny alalan’izany no hanapahan-kevitra dia io tatitra sy hevitra tapaka io ihany no miakatra any amin’ny fivoriamben’ny GIC Madagascar. Zava-dehibe loatra, araka izany, ny fanajan’ny mpitondra sy ireo mpanao politika izay zavatra nosoniavin’izy ireo dia ny sori-dalana. Izay voasoratra dia voasoratra fa tsy misy intsony ny fanazavana be mila atao, saingy politika moa ity resaka ity ka tsy ilaozan’izay mitady lalam-poza hahazoana tombontsoa manokana ihany amin’ny alalan’ny fanovana tsotra izao ny zavatra nekeny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT