Politique

Fampiharana ny sori-dalana Alarobia mifankahita


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2011

Tsy nisy ny fanapahan-kevitra nandritra ny fihaonan’ireo ankolafy politika sy ny SADC tany Pretoria (Afrika Atsimo), tsy nahomby ihany koa ny tetik’ireo vondrona politika 8 (V8) ny amin’ny hoe hanery mivantana na an-kolaka ny Troika, avy eo ny SADC mba hanaiky izay fomba hampiharan’ny FAT amin’ny mahamety azy ilay sori-dalana.

 Misy ny lamina tsy maintsy apetraka ary tsy maintsy arahana amin’ny zavatra tahaka ireny, fa tsy hoe maika na dodona ny ankolafy izatsy na izaroa dia terena hanaraka izay vetsovetsom-pony eo ny fandikana sy fampiharana ny sori-dalana. Eto no matetika mahadiso hevitra ny maro ny amin’ilay hoe : manelanelana fotsiny ny SADC fa anjarantsika Malagasy no mifandamina amin’ny fametrahana ireo paika rehetra. Tsara homarihana fa vantany vao nanaiky nanao ilay rangopohy teny Ivato, ary notohizana tamin’ilay sonia teny Maibahoaka ireo ankolafy politika dia mazava ny resaka fa mandray an-tanana feno ny famahana ny krizy eto ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny SADC.

Efa natao teto ny fihaonam-paritra, fihaonabem-pirenena, Dinika Santatra, fampihaonana ny mpanao politika nataon’ny fiarahamonim-pirenena, saingy tsy nahomby ny diniky ny Malagasy samy Malagasy, nitarazoka ny krizy. Na ny FAT be vava hatrany am-piandohana fa tsy hivory any ivelan’i Madagasikara intsony aza dia mbola nanaraka sy nanaiky ny fandaminan’ny SADC ihany. Dia izao iaraha-mahita izao fa miato aloha ny fanendrena ilay praiminisitra satria mbola ho avy hanara-maso sady hanome toromarika ny fampiharana ilay sori-dalana ny SADC, fa tsy hoe maika sy dodona i Andry Rajoelina sy ny ekipany dia tendrena ny praiminisitra. Araka ny tsiliantsofina re dia hisy ireo iraka manokan’ny SADC ho avy eto Antananarivo amin’ity herinandro ity, mizara sokajy roa izy ireo.

Eo ireo manampahaizana manokana amin’ny resaka filaminana sy fandriampahalemana, izay tokony ho avy eto ny talata (rahampitso), ary eo kosa ny diplaomaty izay hotarihan’ilay minisitra lefitra Afrikanina Tatsimo misahana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany, Marius Fransman, izy moa dia mitarika ny iraky ny Troika, tokony ho tonga ny alarobia ho avy izao. Efa tafakatra ambonimbony kokoa ny dingan’ny fandaminana ny krizy eto Madagasikara ankehitriny ka miakatra tahaka izany koa ny fepetra mety horaisina. Tsy azo eritreretina intsony eto ny hoe nanasonia dia tsy hanatanteraka izay nosoniavina. Efa tsy fotoanan’ny ankiafina intsony izao fa fotoanan’ny fampiharana izay nifanarahana. Raha misy ny be loha na manao be marenina dia azo eritreretina ny hahatongavan’ny tafiky ny SADC eto ! Samy manantena anefa ny rehetra fa efa nandinika sy nisaina tsara ireo mpanao politika malagasy ka tsy hanatanteraka izay nekeny fa tsy hampidi-kizo ny firenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT