Politique

Fampiharana demokrasia Tena mbola lavitry ny fenitra i Madagasikara


  • Talata 06 Jona 2023

Olona manodidina ny 500.000 isa no nidina an-dalam-be ny alahady teo tany Pologne, firenena iray any eoropa atsinanana nanohitra ny fiakaran'ny vidim-piainana any an-toerana.

Vaovao nanakoako teo amin’ny sehatra iraisampirenena izany. Tsy nifanalavitra tamin’ny an-drizareo frantsay izay nanao fitokonana nahavoahangona olompirenena an’alin-kisa tamin’ny fotoan’androny noho ny fiakaran’ny vidin’ny mofo dipaina. Endriky ny fampiharana demokrasia ankoatran’ny fandatsaham-bato rehefa fifidianana izany. Fandatsaham-bato izay miteraka adihevitra be tato anatin’ny taona maro, raha ho antsika, satria dia hoe sarintsarina demokrasia fa tsy tena demokrasia ihany koa nefa efa io sisa. Misy mpanohana izao fitondrana izao milaza moa fa malalaka ny fanehoan-kevitra eto satria dia afaka mitabataba isan’andro anaty onjampeo ary milalalala eny amin’ny tambazotran-tserasera ihany koa. Firifiry tamin’ireo mpaneho hevitra tamin’ny tambazotran-tserasera toy ny Facebook moa nefa no tsy efa nidoboka am-ponja rehefa hita fa matetika maneho izany heviny izany ary mitsikera izao fitondrana izao tao anatin’izay 5 taona latsaka kely izay? Toy izany koa ireo naneho hevitra tamin’ny haino aman-jery? Raha malalaka tokoa, fara faha keliny, nihoatra ny tany aloha ary ny fanehoan-kevitra tao anatin’izao fitondrana izao, maninona no tsy vitan’ny hoe nihemotra fotsiny ny laharana misy antsika teo amin’izay lafiny fahalalahana izay fa tena nitotongana mihitsy, hoy ny Reporter sans frontière na RSF? Nolazain’ireto farany fa very toerana miisa 40 teo isika ka lasa laharana faha 98 ny taona 2022 dia farany teo indray mbola voalaza fa very toerana miisa 3 ihany ka lasa faha 101. Haneho tsy fahafaliana amin’ny mpitondra anao ve ianao dia tokony hila haka alalana, hoy ry zareo avy eo anivon’ny antoko politika Teza? Lalàna adaladala izany, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Louis Rakotoamboa. Hita ho tena mbola lavitry ny fenitra, araka izany, ny fampiharana ny demokrasia eto Madagasikara.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT