Fantatra izao fa nahazo fanasana avy amin’ny antokom-pitondrana hiaraka hisakafo amin’ireo lisitra kandidŕ natolony eto amin’ny Faritanin’Antananarivo eny amin’ny Hotely anisan’ny raitra indrindra
eto amin’ny tanàna ireo mpifidy vaventy (ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna tsy ankanavaka) anio alarobia 23 desambra 2015 amin’ny mitataovovonana katroka. Fanahiniana navoitra mihitsy ny hoe amin’ny 12 ora antoandro mba hilazana fa mbola mahazo manao ny ataony daholo aloha ny rehetra fa rehefa hisakafo ve tsy ho avy eo ihany fa ny kibo tsy mba lamosina, ny tsinay tsy mba vatsy. Dia minoa ahy ianao fa tsy hijanona amin’izany sakafo izany fotsiny ny resaka !
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.