Nanokatra varavarana ho an’ny mpanao afera sady olona tsivanona tsy misy
fotony ny Filohan’ny Antenimierandoholona Jeneraly Ravalomanana Richard, ka tokony hialà, hoy ny Praiminisitra Lefitra teo aloha Zaza Ramandimbiarison. Ilay Indianina Khushwinder Singh izay tafiditra tanteraka amin’ny tambajotra tsy mazava momba ny afera maizina iraisam-pirenena tamin’ity raharaha boeing 777 ity ka nilazan’i Zaza Ramandimbiarison hoe : Ahoana no hieritreretana fa zandary ambony grady sy tsongoin’olom-bolo, efa Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, lehiben’ny fikaroham-baovao na « renseignement » no nampiditra malalaka olon-doza tao anatin’ny andrim-panjakana lehibe indrindra eto amin’ny Firenena ? Ahoana, hoy izy, no hieritreretana hoe jeneraly ambony teo anivon’ny zandarimaria no hamela ny zavatra tahaka izany handeha ho azy ? Nomarihiny fa olona tsy voafidy ihany koa ny Filohan’ny Antenimierandoholona, izay tokony hiaro ny andrim-panjakana. Tsy nitsitsy ity farany nilaza fa voaporofo ny tsy fahombiazany, voahodidina na voafatotry ny raharaha mampiahiahy mikasika ny vahiny iray izay nanodidina azy, ary ahiana amina tsikombakomba avo lenta, ka anisan’ny fahadisoana arak’asa goavana. Vokany, maty hasina tanteraka ny andrim-panjakana Malagasy. Tsy vitan’ny nivaona tamin’ny endri-pitantanana ara-miaramila ny andrim-panjakana, fa mbola nodidinina olona mamoa-doza, fantatra amin’ny maha mpanao afera tsivalahara, tafiditra tamin’ny trafika iraisam-pirenena goavana, hoy hatrany ny tsikera mivaivay. Nambarany fa efa nisy fampitandremana iraisam-pirenena fa mampiahiahy io teratany Indianina io. Iray volana mahery, i Khushwinder Singh, teratany Indiana, no nanodidina akaiky azy. Efa niseho tamin’ny hetsika iraisam-pirenena niaraka taminy, na dia tsy nanana andraikitra ofisialy aza, ary niezaka nampiditra ny tenany tao amin’ny andrim-panjakana ho toy ny “mpanolo-tsaina tsy mandray karama”. Ninia tsy nahalala sa voafitaka ve ny Filohan’ny Antenimierandoholona sa mpiray tsikombakomba ? hoy i Zaza Ramandimbiarison. Ny fitazonana an’i Richard Ravalomanana amin’ny fitarihana ny Antenimierandoholona dia lasa loza lehibe ho an’ny : fitokisana ny Fanjakana, ny fiandrianam-pirenena, ary ny fiarovana nasionaly. Efa tsy voatery ho politikam-pirenena tsotra intsony io fa loza mitatao ara-politika sy ara-diplomatika mihitsy ho an’i Madagasikara, hoy izy. Ny antso hanao fametraham-pialana ho azy dia efa lasa fepetra takian’ny Firenena satria Madagasikara tsy afaka mbola hotantanin’ny olona minia mikipy amin’ireo mpanao heloka ara-toekarena. Fotoana izao hanehoan’i jeneraly Ravalomanana fa olona tompon’andraikitra izy, ary tokony hampiseho fanajàna ny Repoblika, ny olom-pirenena ary ny andrim-panjakana, hoy ny ampahan’ny fanehoan-kevitr’i Zaza Ramandimbiarison. Asa izay mety ho valin-kafatry ny Jeneraly Ravalomanana Richard !?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.