Politique

Fampidirana miaramila 4000 Mila 20 tapitrisa Ar eo isan’andro, bizina ho an'iza indray ?


  • Talata 09 Mey 2023

Niteraka adihevitra ny ho fandraisan’ny tafika miaramila zazavao miisa 4000 hanao fifanarahana manomboka ny fiandohan’ny aogositra izao ary ao anatin’ny 2 taona ihany,

araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ny 03 may lasa teo. Maro no nametra-panontaniana hoe : sao sanatria vao mainka handeha hanamaro isa ny jiolahy ireo izay tsy ho voaray ho miaramila raikitra aorian’ny roa taona kanefa efa nahavita fiofanana ara-miaramila toy ny fitazonana basy sy paikady samihafa ? Fifandrifian-javatra ve ny hoe : tao anatin’izay 5 taona latsaka izay tsy tena nanao an’izany fa amin’izao akaiky fifidianana izao vao mihazakazaka amin’io ka sao sanatria misy ambadika politika ? Tsy misy karama ny filatsahana an-tsitrapo eo anivon’ny tafika amin’ny alalan’ny fanompoam-pirenena fa ireo efa miaramila raikitra no misitraka izany. Sakafo sy famatsiana ireo filany noho nizany no iantohan’ny Fanjakana. Etsy andaniny, raha ny loharanom-baovao sy fanehoan-kevitra avy amina manamboninahitra ambony, manodidina ny 5000Ar isan’andro isan’olona ny PGA (Prime générale d’Alimentation) ary ahiana ny mety ho fisiana kajikajy ara-bola ao anatin’io. Tena hahatratra 4000 marina ve no hampidirina sa sao sanatria misy tetika hamoaham-bola ao anatin’izao Fitondrana ho tapitra fe-potoana iasana izao? hoy ny fanontaniana sy ny ahiahy mivoaka. Raha atao ny kajikajy mahatratra dia 20 000 000Ar isan’andro raha toa ka misitraka 5000Ar isan’olona ireo 4000 ireo. Ao anatin’ny 2 taona (730 andro) izany dia mahatratra 14 600 000 000Ar. Raha toa ka 2000 fotsiny, ohatra, no ampidirina ka ny antsasany tsy tena misy na « fictif » dia 7 300 000 000Ar mety handehandeha any ambadika any. Tsy tafiditra ao anatin’io ny resaka saran’ny fanofanana, fanamiana, fampitaovana,… Ny ahiahy tokoa tsy hihavanana, ary tsy vaovao amin’ny fitantanana eto Madagasikara ny resaka kolikoly, fanodinkodinana volam-panjakana,… ka dia andrasana izay mety ho fisehon’ity resaka fampidirana miaramila zazavao 4000 ity. Sanatria tokoa ve misy olona na vondron’olona mitetika hanao fitaovana handraofana volam-panjakana tokoa io satria hoe: efa ho lany ihany ny paiso an-kady?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT