Politique

Fampiasam-bolan’ireo kandida filoha Tsy mbola navoakan’ny Komity mpanara-maso ny tatitra


  • Talata 20 Aogositra 2019

Takian’ny lalàna fototra 2018-008 momba ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka ny fangaraharahan’ny kaonty sy ny fampiasam-bola amin’ny fampielezan-kevitra.

 

 

Telo volana manomboka eo amin’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana ny kandida sy ny lisitra niaraka taminy no manolotra ny kaonty lany tamin’ny fampielezan-kevitra sy ny fandaniana mazava sy ny pitsopitsony manaporofo izany any amin’ny Kaomisionina mpanara-maso ny famatsiam-bola amin’ny fifinana ara-politika. Telo volana aorian’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana, dia tokony hamoaka ny lisitr’ireo kandida nanome ny kaonty sy ny fandaniana ilay Kaomisionina. Tsy tokony hisy hiafina amin’ny vahoaka izany, ary hahafaha-manamarina sy mamantatra ny vola nampiasain’ny kandida iray tamin’ny fifidianana. Ireny niaraha-naheno tamin’ny fifidianana filoha ireny rahateo ny resaka volabe nampiasaina, ary ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina dia nambaran’ny Mpanara-mason’ny Vondrona Eoropeanina fa nizara vola. Zon’ny olom-pirenena ny mahalala ny loharanom-bolabe, izay misy ny ahiana fa vola maloto mety azo tamin’ny fanondranana harem-pirenena na afera maizina hafa. Raha ny lalàna hatrany, dia manao ny asany manomboka 90 andro mialohan’ny fifidianana io rafitra io, ary 6 volana aorian’ny fanambarana ny valim-pifidianana ofisialy no tapitra tanteraka ny asany. Tsy nisy tatitra mazava nataony taorian’ny fifidianana, kanefa ny valim-pifidianana aza efa ny 8 janoary no nivoahany. Tsy misy izany ny ofisialy tamin’ny asan’ilay komity ara-panjakana, ary tsy nisy misy mangaraharaha fa kimaizimaizina hatrany no betsaka amin’ny fifidianana atao eto.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT