Politique

Fampianarana ambony sy fikarohana siantifika Sady tsy manohana no tsy nanolotra olona ho minisitra ny SECES


  • Talata 08 Novambra 2011


 Hentitra ny fanambarana nataon’ny birao nasionalin’ny SECES, tamin’ny alalan’ny Filohany, Pr Rasoamiaramanana Armand, omaly 7 novambra 2011, manoloana ny «tsaho» nandeha tato ho ato fa ny SECES (Syndicat des Enseignants-Chercheurs de l’Enseignement Supérieur) dia manohana sady nanolotra olona ho minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Mampahatsiahy ny tapaka nandritra ny Filankevitra Nasionaly (Conseil National), natao teto Antananarivo ny 27 sy 28 oktobra 2011 ary nandraisan’ny Oniversite 6 eran’i Madagasikara anjara ity sendika ity nilaza fa «tsy manohana ary tsy manolotra olona fa «profil» no natolony». Izany hoe ny tokony ho minisitry ny fampianarana ambony sy fikarohana siantifika dia «olona mahalala tsara sy mahafehy ny tontolon’ny Fampianarana ambony sy Fikarohana Siantifika ary indrindra afaka sy mahay misokatra amin’ny fifanakalozan-kevitra amin’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpandraharaha ary ny mpianatra», araka ny fanazavana hatrany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT