Politique

Fampanjakana tany tan-dalàna, fihavanana… Resaka fotsiny ny an’ny fitondrana


  • Zoma 24 Martsa 2023

Noporofoin’ny fitondrana ankehitriny sy nasehony tamin’ny fomba niharihary indrindra nanomboka ny alin’ny 22 martsa 2023 teo,

izay fotoana namoahana ny didim-panjakana manatsahatra ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony momba ny demokrasia sy tany tan-dalana na HCDDED tamin’ny asany fa resaka fotsiny ny an’izao fitondrana izao izany fampanjakana ny demokrasia sy tany tan-dalana izany satria dia vitany ny nanapaka an-tenantenany ny fotoam-piasan’izany rafitra izany nefa mbola tsy tokony hifarana akory. Izany resaka fihavanana sy fampihavanam-pirenena izany moa dia tao anatin’izay 4 taona izay no niaraha-nahita ny tsy fahavononan’ny fitondrana ankehitriny hiroso aminy. Raha nisy fitsikerana betsaka indrindra heno mikasika izany Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM izany dia saika avy amin’ny fanohanana ny fitondrana hatrany. Nifarana am-bolana maro moa izay ny fotoam-piasan’io rafitra io saingy mbola baraingo hatreto ny mety ho tohiny. Ankoatran’ny fanenjehana ireo heverina ho fahavalo politika sy mpanelingelina izao fitondrana izao tahaka an-dry Malama, Mbola Rajaonah, Berija sy ny tariny dia ireny niaraha-nahita ireny koa ny nahazo ireo vehivavy TIM nikasa hanamarika ny 8 martsa. Toy izany koa ny nahazo ireo depiote nitarika hetsika teny Itaosy teny. Tontolo iainana politika toy izany ve no heritreretin’izao fitondrana izao hitondra fampandrosoana ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT