Fampanginana manara-penitra

Hiakatra Fitsarana ambony ireo mpitarika sendika roa


  • Alarobia 19 Febroary 2025

Hiakatra Fitsarana ambony amin’ny 28 febroary 2025 izao ireo sendikalista roalahy Barson Rakotomanga

Randrana Sendikaly) sy Pr Sammy Grégoire (SECES Antananarivo). Raha hiverenana, ny24 novambra 2023 izy ireo no nahazo fahafahana vonjimaika ary samy efa tafaverina tany amin'ny fianakaviany avy. Tsiahivina fa ny 22 novambra 2023 no notazomina teny amin'ny Zandarimaria sampana miady amin'ny heloka be vava Fiadanana izy roalahy ireto, noho ny fiahiahiana azy ireo amin'ny fanohitohinana ny fiandrianam-pirenena. Navoaka ny 24 novambra 2023 izy ireo saingy mbola napetraka teo ambany fanaraha-mason'ny fitsarana. Ny 12 desambra 2023 no fotoam-pitsarana an'ireto mpitarika sendikaly ireto. Nivoaka ny 06 febroary 2024 ny didim-pitsarana rehefa in-2 nihemotra. 30 volana an-tranomaizina sazy mihantona no didy navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo mikasika ny raharaha nahavoarohirohy ny filohan’ny SECES sampana Antananarivo Pr Ravelonirina Sammy Grégoire sy ny filohan’ny Randrana Sendikaly Barson Rakotomanga. Raha tsiahivina dia fiantsoana ny miaramila hikomy no loham-piampangana azy ireo, nitazomana azy ireo teny amin’ny sampan'ny zandary manao fikarohana heloka bevava Fiadanana, izay nolavin'ireto mpitarika sendikaly ireto. Ny volana desambra 2023 izy ireo no niakatra Fitsarana saingy ny didim-pitsarana kosa no in-droa nihemotra ny famoahana. Nilaza i Barson Rakotomanga fa hampakatra ny raharaha amin’ny Fitsarana ambony tamin’izany. Raha somary nangingina tsy dia re feo firy intsony ny Pr Sammy Grégoire, dia mbola manamafy ny karazana tolona sy fanehoan-kevitra samihafa momba ny tontolon’ny asa kosa Atoa Barison Rakotomanga. Henjana ny fanamelohana izay endrika fampanginana manara-penitra ka asa izay ho didy hivoaka amin’ny 28 febroary eo anatrehan’izao toe-draharaham-pirenena izao?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT