Fampandrosoana ny kaominina

Tsy manan-jo hanavakavaka mihitsy ny fanjakana


  • Alakamisy 05 Desambra 2024

Voizina mafy tato ho ato izay ny hoe tsy ahavita zavatra izay ben’ny tanàna lany eo rehefa

tsy miaraka amin’ny fanjakana. Tsy tokony ho izay anefa ny adihevitra fa ny hoe inona no fandaharanasa, ahoana ny fomba fiaraha-miasa araka ny ambaran’ny lalàna. Tsy misy lalàna milaza mihitsy hoe rehefa mpomba ny fitondrana ny ben’ny tanàna dia karakarain’ny fanjakana tsara fa rehefa mpanohitra dia hanaovana antsojay. Tsara atao mazava aloha fa tsy fanjakana kely ao anaty fanjakana ny kaominina, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ny kaominina izay vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Roa ny fahefana eo anivon’ny kaominina dia ny fahefana mpanatanteraka, tarihin’ny ben’ny tanàna sy ny filankevitra monisipaly misy ireo mpanolotsaina monisipaly, lisitra niarahana nofidiana tamin’ireo kandida ben’ny tanàna. Manana ny vina mivadika fandaharanasa ny ben’ny tanàna, fa tsy maintsy mahazo ny fankatoavan’ny filankevitra monisipaly ny asa vao tanterahana.Manome tolokevitra momba ny tetibolan’ny kaominina ny ben’ny tanàna miaraka amin’ny fanampianan’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fandraisan’anjaran’ny sampandraharaham-panjakana ao amin’ny faritra misy azy. Voatondron’ny lalàna fa mifandray tsy tapaka amin’ny solotenam-panjakana eo amin’ny faritra iadidiany ihany koa ny ben’ny tanàna.
FEHINY: eo ambany fiahian’ny governemanta ny kaominina, manana adidy manoloana ny kaominina ihany koa anefa ny fitondrana foibe.Antony tsy nampety ny fampandrosoana teto ny tsy fisian’ny fiaraha-miasa matotra araka ny tondroin’ny lalàna eo amin’ny fitondrana foibe sy ny mpitantana ny kaominina. Nibahan-toerana loatra ny resaka politika, namono ny asa sy ny tekinika. Ny kaominina anefa no fototra iaingan’ny fampandrosoana ny firenena.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT